Hijery ny anatiny

Maka sary miaraka amin’ny vahiny roa ny Vavolombelona telo avy any Géorgie, izay manao akanjo nentim-paharazana, tamin’ilay fivoriambe.

22 NOVAMBRA 2018
GÉORGIE

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Voalohany Tany Tbilissi, Géorgie

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Voalohany Tany Tbilissi, Géorgie

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana hoe “Manàna Herim-po”! tany Tbilissi, renivohitr’i Géorgie, tamin’ny 20-22 Jolay 2018. Faly ireo rahalahy sy anabavy tany Géorgie nandray an’ireo solontena avy any amin’ny tany 18. Sambany vao nisy fivoriambe hoatr’izany tany, ary nampiavaka azy ny sakafo ara-panahy tondraka sy ny fahaizana mandray vahiny, ary ny fampisehoana ny kolontsaina sy ny tantaran’ilay tany.

Natao tao amin’ny Olympic Palace, kianja lehibe iray tany Tbilissi, ilay fivoriambe. Nisy 7002 ny tampon’isan’ny mpanatrika. Nampitaina mivantana tany amin’ny toerana efa ho 80 manerana an’i Géorgie ilay fandaharana, ary 21500 mahery ny tontalin’ny mpanatrika. Anisan’ny nisongadina tamin’ilay fivoriambe koa ny nanaovana batisa an’ireo rahalahy sy anabavy vaovao 208.

Ankoatra ny fandaharana ara-panahy dia nahafinaritra an’ireo vahiny koa ny nahita ny kolontsain’ny olona any Géorgie. Nataon’ny Vavolombelona teo an-toerana afa-po izy ireo rehefa nampisehoany ny dihiny sy ny mozikany, nasainy nanandrana ny sakafony, ary nasainy nitsidika an’ireo toerana manan-tantara ao Tbilissi.

Hoy i Tamaz Khutsishvili, avy ao amin’ny biraon’ny sampan’i Géorgie: “Tsy hoe nalalaka hoatr’izao foana ny resaka fivavahana teto amin’ny firenenay. Namela anay hanao an’izao fandaharana izao anefa ny manam-pahefana, tamin’ity indray mandeha ity. Nahafinaritra be ilay niaraka tamin’ny rahalahy sy anabavy be dia be.”—Romanina 15:7.

 

Nahatratra 7002 ny tampon’isan’ny mpanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tao amin’ny Olympic Palace, tamin’ny 20-22 Jolay 2018. Nisy 14912 kosa no nanaraka an’ilay fandaharana mivantana tany amin’ny toerana maro.

Ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny famaranana ho an’ny andro tsirairay.

Nisongadina tamin’ilay fivoriambe ny nanaovana batisa an’ireo rahalahy sy anabavy vaovao 208. Teo akaikin’ilay rindrim-bato voajanahary ao amin’ny Olympic Palace no nisy an’io toerana fandrobohana io.

Nampitaina mivantana tany amin’ny toerana efa ho 80 ilay fandaharana.

Anabavy maromaro avy ao Géorgie mandray solontena iray vao tonga. Manao satroka vita amin’ny volonondry, izay mampiavaka an’ireo faritra be tendrombohitra any Géorgie, ny iray amin’izy ireo.

Nisy fandaharana manokana nalamina tamin’ny 17 sy 18 Jolay tao amin’ny Château Mukhrani, any Mukhrani eo akaikin’i Tbilissi. Naseho tao ny mozika sy dihy nentim-paharazana any Géorgie, sy ny video roa mitantara ny asa fitoriana tany.

Mpitory eo an-toerana mandihy Adjaruli (avy amin’ny hoe Adjarie, toerana any amin’ny farany atsimoandrefan’ilay tany, eo akaikin’ny Ranomasina Mainty). Nanao akanjo nentim-paharazana avy ao amin’io faritra io ireo mpandihy ka vao mainka nahafinaritra ny nijery an’ilay dihy.

Rahalahy eo an-toerana manao hira nentim-paharazana amin’ny feo mampiavaka an’i Géorgie.