Hijery ny anatiny

GÉORGIE

Topy Maso An’i Géorgie

Topy Maso An’i Géorgie

Efa nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Géorgie, nanomboka tamin’ny 1953. Ekena ho ara-dalàna izy ireo ary azo lazaina hoe tsy misy manakantsakana rehefa manaraka ny fivavahany. Manenjika azy ireo anefa ny fivavahana hafa, indraindray.

Manenjika tsy an-kiato ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpivavaka mahery fihetsika nanomboka tamin’ny 1999 ka hatramin’ny 2003 ka mampiasa herisetra. Vao mainka sahisahy ratsy ireo mpanenjika ireo satria tsy mety manasazy azy ireo ny mpitandro ny filaminana. Nisy mpikambana iray tao amin’ny parlemanta aza nahavita nanafoana ny maha ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny fotoana fohy. Nitombo àry ny herisetra nihatra tamin’izy ireo. Nametraka fitarainana enina tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ny Vavolombelona mba hitadiavana vahaolana. Namoaka didim-pitsarana nanameloka ny fanjakana ny CEDH tamin’ny 2007 sy 2014. Tsy nandray andraikitra avy hatrany mantsy ny fanjakana sady tsy nandaminana tsara an’ilay olana, rehefa nisy mpivavaka nampirisika olona hanao heloka bevava, fa nanavakavaka an’ireo niharan’ny herisetra. Neken’ny CEDH koa tamin’ny 2015 fa tsy rariny ny nataon’ny fanjakan’i Géorgie tamin’ny 2001, rehefa nofoanany ny maha ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nihena be mihitsy ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 2004. Nitombo ny asa ara-pivavahana nataon’izy ireo ary nanorina Efitrano Fanjakana maro izy ireo. Mbola misy mpivavaka mahery setra sy mampijaly azy ireo ihany anefa indraindray. Mitombo ilay olana satria matetika no tsy manao na inona na inona ny fanjakana. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa hanaraka an-tsakany sy an-davany ny didim-pitsaran’ny CEDH ny fanjakan’i Géorgie, ka hanadihady haingana ny herisetra atao amin’izy ireo sy hanasazy an’ireo tompon’andraikitra amin’izany.