Hijery ny anatiny

Ambony ankavia: Solontena iray avy ao amin’ny sampan’i Ghana, manazava ampahany amin’ireo zavatra naranty. Ambany ankavia: Ilay tranombakoka Ghana National Museum any Accra, Ghana. Ankavanana: Zavatra sasany naseho tamin’ilay fampirantiana manokana

19 JONA 2024
GHANA

Nasongadina tao Amin’ny Tranombakoka Iray any Ghana ny Asa Fandikan-teny Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nasongadina tao Amin’ny Tranombakoka Iray any Ghana ny Asa Fandikan-teny Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nisy fampirantiana manokana natao tao amin’ny tranombakoka Ghana National Museum any Accra, tamin’ny 11 Aprily ka hatramin’ny 11 Jona 2024. Izao ny lohatenin’ilay izy: “Fandrisihana ny Olona Hahay Hamaky Teny sy Hanoratra ary Hianatra Baiboly Amin’ny Fiteny Ghaneana.”(Promoting Literacy and Bible Education in the Native Languages of Ghana.) Nisy 1 300 ny olona nitsidika an’ilay fampirantiana.

Nanomboka nandika boky sy gazety ara-baiboly tany Ghana, nantsoina taloha hoe Côte-de-l’Or ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1937. Mandika boky amin’ny fiteny ghaneana 12 ny sampan’i Ghana amin’izao. Naseho tamin’ilay fampirantiana ny video, boky sy gazety, ary zavatra hafa nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ghana. Nasongadina tao koa hoe mora ny mahita an’ireo zavatra efa voadika amin’ny fiteny ghaneana ao amin’ny jw.org.

Niara-niasa tamin’ny sampana ny Ghana National Museum sy ny profesora efatra avy ao amin’ny Oniversiten’i Ghana, mba hanatanterahana an’ilay fampirantiana. Nianaran’ireo profesora ireo hoe ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mandika teny. Te hanampy olona betsaka kokoa any Ghana mba hahay hamaky teny sy hanoratra mantsy ry zareo, sady te hampandroso ny asa fandikan-teny amin’ny fiteny ghaneana. Nitsidika ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, Etazonia, koa ny Profesora Araba Osei-Tutu, iray amin’ireo profesora efatra, mba hampandrosoana ny fikarohana nataon-dry zareo. Nitsidika ny sampan’i Ghana koa ireo profesora efatra.

Ankavia: Ny Profesora Araba Osei-Tutu, mikabary mandritra ny lanonana fanokafana an’ilay fampirantiana. Ankavanana: Boky sy gazety ary video amin’ny fiteny ghaneana vitsivitsy

Hoy ny Profesora Osei-Tutu tamin’ilay kabary fanokafana an’ilay fampirantiana: “Tena manampy ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahay hamaky teny sy hanoratra, indrindra amin’ny fitenintsika. ... Manararaotra an’ity fotoana ity izahay mba ... hisaorana an’izay rehetra mandray anjara amin’io asa io.”

Rehefa avy nijery an’ilay fampirantiana i Yaw Sekyi-Baidoo, profesora ao amin’ny oniversite iray any Winneba, dia niteny hoe: “Mpanabe foana no fahitako ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay. Tsy nampoiziko anefa hoe be dia be hoatr’izao ny asa fandikan-teny ataon-dry zareo.”

Ireo profesora ao amin’ny Oniversiten’i Ghana sy ny mpiasa ao amin’ny Ghana National Museum ary profesora hafa, miara-maka sary amin’ireo rahalahy sy anabavy nandray anjara tamin’ilay fampirantiana

Hoy ny mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ghana: “Mampahery ny mahita hoe deraina eo anatrehan’ny besinimaro ny vahoakan’i Jehovah satria mahasoa ny mpiara-belona aminy ny asa fampianarana ataony. Hita mihitsy hoe tahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanampiana ny karazan’olona rehetra hahafantatra azy.”​—Jaona 17:3.