Hijery ny anatiny

27 NOVAMBRA 2019
GHANA

Navoaka Tamin’ny Teny Nzema ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Nzema ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Bawia, any Ghana, tamin’ny 22 Novambra 2019, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny nzema. Naharitra efa-taona ny fandikana an’io Baiboly io. Ny Rahalahy Samuel M. Kwesie, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Ghana, no namoaka an’ilay Baiboly ary 3051 ny mpanatrika.

Hoy ny iray amin’ireo mpandika teny fito nandika an’ilay Baiboly: “Tsotra ny teny ampiasaina ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao dia mora azon’ny mpamaky rehetra ilay izy, na ny ankizy aza. Azo antoka hoe hanampy ny olona io Baiboly io mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra.”

Ny Baiboly navoakan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly any Ghana no nampiasain’ny mpitory, taloha. Tsy hita ao anefa ny anaran’Andriamanitra sady sarotra ny teny ampiasainy. Lafo be koa ny Baiboly any Ghana ka tsy voavidin’ny mpitory sasany.

Misy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah kosa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny nzema, ary mazava ny teny ampiasainy sady tsy itakiana sarany ilay izy. Misy mpitory 1532 miteny nzema ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Ghana. Handray soa amin’io Baiboly io ny mpitory rehefa hitory amin’ny mponina 330000 eo ho eo miteny nzema.

Enga anie ireo mpiara-manompo amintsika ireo ka ho finaritra amin’ny “lalàn’i Jehovah” rehefa mampiasa an’io Baiboly vaovao io!—Salamo 1:1, 2.