Hijery ny anatiny

4 MEY 2022
GHANA

Nivoaka Tamin’ny Teny Twi (Asante) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Nivoaka Tamin’ny Teny Twi (Asante) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Vao vita ilay lahatenin’ny Rahalahy Sanderson, dia efa azo nalaina tao amin’ny Internet ilay Baiboly nohavaozina

Navoakan’ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny Alahady 24 Aprily 2022, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny twi (asante). Vao vita ilay lahateny dia efa azo nalaina tamin’ny endrika elektronika ilay Baiboly. Mbola amin’ny Aogositra kosa vao tonga ny Baiboly vita pirinty.

Anisan’ny fiteny akan, fiteny maromaro ampiasain’ny olona an-tapirisany any Afrika Andrefana, ny teny twi (asante) sy ny twi (akuapem). Tamin’ny 1871 no nisy Baiboly voalohany tamin’ny teny twi, saingy tamin’ny teny twi (akuapem) ihany. Mbola nisy Baiboly fandikan-teny hafa tamin’ny teny twi (akuapem) indray anefa nivoaka tamin’ny 1897. Efa tamin’ny 1964 vao nivoaka ny Baiboly tamin’ny teny twi (asante). Tamin’ny 2012 kosa ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny twi (asante).

Anabavy iray mijery an’ilay fandaharana efa noraisina video mialoha, ao an-tranony

Rehefa manao jery todika ny namitana an’ilay tetikasa ny mpandika teny iray dia hozy hoe: “Hoatran’ny tsy ho vita izany mihitsy ilay fandikan-teny tamin’ny voalohany, satria be loatra ny asa nila natao tamin’ilay izy. Nivavaka imbetsaka anefa izahay sady niantehitra tanteraka tamin’ny fanahin’i Jehovah dia tena nanampy anay isan’andro i Jehovah.”

Anisan’ny fanomezana nomen’i Jehovah ho an’ny rahalahy sy anabavy miteny twi ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny twi (asante), amin’izay ry zareo afaka manompo tsara kokoa an’i Jehovah, ilay Andriamanitra malala-tanana.​—Jakoba 1:17.