Hijery ny anatiny

20 OKTOBRA 2015
GHANA

Nanao Zavatra Haingana ny Vavolombelon’i Jehovah Tany Ghana Taorian’ny Tondra-drano

Nanao Zavatra Haingana ny Vavolombelon’i Jehovah Tany Ghana Taorian’ny Tondra-drano

ACCRA, any Ghana—Nisy tondra-drano be tany Accra, renivohitr’i Ghana, ka betsaka ny fananan’olona simba ary 200 mahery no namoy ny ainy. Tamin’ny faran’ny volana Aogositra 2015 ny Vavolombelon’i Jehovah no namita ny fanampiana tra-boina tany.

Vavolombelon’i Jehovah manondro hoe hatraiza ny rano, eo amin’ny tranon’ny mpiara-mivavaka aminy, izay tsy maintsy niala tao.

Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty. Tsy maintsy nafindra toerana anefa ny 250 teo ho eo amin’izy ireo, vokatr’ilay tondra-drano. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ghana, tamin’ny 4 Jona 2015, izany hoe ny ampitson’ilay tondra-drano. Nikarakara an’izay nilain’ny olona teo no ho eo io komity io, ka nizara bodofotsy sy akanjo ary rano. Nanao fandaharana koa io komity io mba hanadiovana sy hanamboarana ny trano tratran’ny tondra-drano. Nanampy koa ny Vavolombelon’i Jehovah tao Accra, satria vonona hampiantrano ny mpiara-mivavaka aminy, izay tsy maintsy niala tamin’ny tranony.

Dossou Amevor (sisiny havia), mpandrindra ny komitin’ny vonjy rano vaky, miandraikitra ny fizarana kidoro ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Madina, any Accra.

Nipoaka ny toby iray famatsiana solika, vokatr’ilay tondra-drano, ka simba ny fantsona maro tao Adabraka. Tapaka àry ny rano tany amin’io faritra io. Nametraka barìka lehibe misy rano tao amin’ny Efitrano Fanjakana (toeram-pivavahana) any Adabraka àry ny biraon’ny sampana, mba hampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny mpiara-monina amin’izy ireo.

Nandefa mpitsabo vitsivitsy koa ny biraon’ny sampana, tamin’ny asabotsy 6 Jona, mba hikarakarana ny mpiara-mivavaka aminy sy ny olon-kafa tany Alajo sy Adabraka. Dokotera dimy Vavolombelon’i Jehovah sy mpitsabo mpanampy roa izy ireo, ary nozaraina ho ekipa roa. Nitsabo aretina isan-karazany izy ireo, ohatra hoe tazomoka, aretin-tratra, ary aretim-pivalanana. Nitsidika ny mpiara-mivavaka aminy koa ny solontenan’ny biraon’ny sampana sy ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana mba hampahery azy ireo.

Dokotera telo Vavolombelon’i Jehovah sy mpitsabo mpanampy roa, ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Adabraka, izay nampiasaina ho toeram-pitsaboana.

Hoy i Nathaniel Gbedemah, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ghana: “Malahelo be izahay satria betsaka ny zavatra simba sy ny olona maty, vokatr’ilay tondra-drano tany Accra. Hoatran’ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-toeran-kafa no ataonay. Miezaka izahay mba hampahery an’ireo tratran’iny loza iny, sy hanome izay ilainy, ary hiresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly amin’izy ireo.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Ghana: Nathaniel Gbedemah, tel. +233 30 701 0110