Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Chávez sy López, miresaka amin’ny mpamono afo ao Coatepeque, any Goatemalà

23 DESAMBRA 2019
GOATEMALÀ

Mahasoa ny Polisy sy ny Mpamono Afo any Goatemalà ny Fiofanana Ara-baiboly

Mahasoa ny Polisy sy ny Mpamono Afo any Goatemalà ny Fiofanana Ara-baiboly

Nomena fahazoan-dalana hampita hevitra avy ao amin’ny Baiboly amin’ny mpamono afo sy polisy ny mpiara-manompo amintsika any Goatemalà, tamin’ny Mey 2019. Polisy sy mpamono afo 450 izao no efa nanatrika an’io fiofanana io, tany Coatepeque, Colomba Costa Cuca, Malacatán, ary San Rafael Petzal.

Polisy maka boky eo amin’ny fampirantiana misy kodiarana, taorian’ny fampiofanana tao Colomba Costa Cuca, any Goatemalà

Hoy i Juan Carlos Rodas, anti-panahy mandray anjara amin’ilay fampiofanana: “Efa 15 taona mahery izay ny Vavolombelon’i Jehovah no nandamina kilasy fianarana Baiboly ho an’ny gadra, any amin’ny fonja telo samihafa eto Goatemalà. Hitan’ny mpiasan’ny fonja hoe lasa mihatsara toetra ny gadra mianatra Baiboly aminay. Izany no nahatonga azy ireo handefa soso-kevitra hoe tsara raha ampianarintsika Baiboly hoatr’izany koa ny polisy sy ny mpamono afo.”

Eo ambany fiahian’ny sampan’i Amerika Afovoany ireny fiofanana ireny. Atao indroa isan-kerinandro ilay izy ary maharitra 15 minitra eo ho eo. Isan-karazany ny foto-kevitra dinihina amin’izany, ohatra hoe ny fahaizana mifandray amin’ny olona, ny fampiharana fahefana, ary ny fahaizana miara-miasa amin’ny hafa. Manome boky na gazety mifandray amin’ilay izy ny rahalahy manao an’ilay fampiofanana, mampiseho video avy ao amin’ny tranonkalantsika, ary manoro ny fanaovana fikarohana ao amin’ny JW Library.

Raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho tombontsoa ny manao an’io fampiofanana io amin’ny polisy sy ny mpamono afo. Enga anie ka hahasoa azy ireo foana ny fampianarana avy ao amin’ny Baiboly.—2 Timoty 3:16.