Hijery ny anatiny

6 MEY 2015
GOATEMALÀ

Mangataka Boky Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sekoly any Goatemalà

Mangataka Boky Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sekoly any Goatemalà

MEXICO—Sekoly telo any Goatemalà no nangataka boky tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampiasain’izy ireo amin’ny fandaharam-pampianarany. Boky 3500 amin’ny teny espaniola sy quiché àry no nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah maimaim-poana. Fitenin’ny Indianina Amerikanina ny quiché, ary anisan’ny teny maya. Ampiasaina any amin’ny toerana avo any amin’ny faritra andrefan’i Goatemalà izy io.

Sekoly Fanabeazana Fototra any Paraje Xepec: Mpampianatra mampiasa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly sy Andao Hianatra Baiboly!, nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Vitsy ihany ny fikambanana mamoaka boky amin’ny teny quiché, ary anisan’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah ka izy ireo no nantsoin’ireo sekoly. Maro koa ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah miresaka momba ny olana atrehin’ny tanora. Milaza ny Profesora Maria Cortez, ao amin’ny taratasy avy amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra any Paraje Xepec, hoe ny antony nangatahana an’ireo boky ireo dia ny “mba hanavotana ny soatoavina sy ny toetra tsara tokony hananana, izay tena ilaina eo amin’ny fiaraha-monina.”

Sekolin’i Elisa Molina de Sthall: Ankizy mamaky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly amin’ny teny quiché.

Hita amin’ny fikarohana vao haingana hoe tena be dia be ny tanora manao heloka bevava sy mahery setra any Goatemalà. Maro àry ny fikambanana natsangana, ohatra hoe ny Fandaharana Fisorohana Herisetra (VPP). Natao izy ireny mba hanentanana ny “mpianatra, ray aman-dreny, mpampianatra, mpanabe, manam-pahefana, ary fiaraha-monina, mba hiaro ny faritra manodidina ny sekoly sy hanao hetsika ary hanangana fianarana asa ho an’ny ankizy efa lehibe sy ny tanora.” Nangataka an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly amin’ny teny quiché koa ny Fikambanan’i Goatemalà ho An’ny Fanabeazana Fototra sy ny Fambolena sy Fiompiana (INEBOA), ny Sekolin’i Elisa Molina de Sthall (EORM), ary ny Sekoly Fanabeazana Fototra any Paraje Xepec. Mbola nangataka ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1 sy 2 amin’ny teny espaniola koa ny INEBOA. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo boky ireo ary natao ho an’ny tanora. Nomen’ny INEBOA tamin’io boky io ny ray aman-drenin’ny mpianatra, mba hanampian’izy ireo ny zanany hanomana ny devoarany amin’ny taranja kolontsaina. Nampidiriny tao amin’ny fandaharam-pampianarany koa ilay video hoe Nody Ilay Zanaka Adala, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy i Erick De Paz, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Goatemalà: “Marina fa ny hiresaka amin’ny olona momba ny Baiboly isan-tokantrano no tena ifantohanay. Faly koa anefa izahay satria ampiasain’ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny mba hanampiana ny tanora ny bokinay.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Goatemalà: Juan Carlos Rodas, tel. +502 5967 6015

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048