Hijery ny anatiny

26 JONA 2017
GOATEMALÀ

Horohoron-tany Nahery Vaika Namely ny Faritra Akaikin’ny Sisin-tany Manasaraka An’i Goatemalà sy Meksika

Horohoron-tany Nahery Vaika Namely ny Faritra Akaikin’ny Sisin-tany Manasaraka An’i Goatemalà sy Meksika

Nisy horohoron-tany lehibe namely ny faritra andrefan’i Goatemalà, akaikin’ny sisin-tanin’i Meksika, tamin’ny 14 Jona 2017. Manampy an’ireo tra-boina any ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka ny tatitra farany avy amin’ny filazam-baovao dia olona dimy, fara fahakeliny, no maty tamin’io horohoron-tany nirefy 6,9 amin’ny maridrefy Richter io. Be dia be koa ny tany nihotsaka.

Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah voalaza hoe maty na naratra aloha teo amin’ny faritra tratran’ilay loza. Na izany aza anefa dia nisy toeram-pivavahana 11 sy trano 17 simba. Efa nandamina Komitin’ny Vonjy Rano Vaky anankitelo any Goatemalà ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amerika Afovoany. Izy ireo no hamantatra hoe hatraiza ny fahasimbana sady hanafaingana ny fizarana ny fanampiana tra-boina.

Manamora ny fanampiana an’ireo tra-boina ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibeny, ka ny vola fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany no ampiasain’izy ireo amin’izany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Meksika: Gamaliel Camarillo, +52-555-133-3048

Goatemalà: Juan Carlos Rodas, +502-5967-6015