Hijery ny anatiny

Tao Parthénon, ny Rahalahy Joseph Rutherford no niresaka tamin’ny rahalahy nanana andraikitra, tamin’izy nitsidika an’i Gresy tamin’ny 1920. Niovaova foana ny toerana nisy ny biraon’ny sampana nandritra ny taona maro. Tao Atena aloha ny voalohany (ambony), dia avy eo tao Maroussi (afovoany), dia ao Drapetsona indray izao

29 SEPTAMBRA 2022
GRESY

Efa 100 Taona no Nisian’ny Biraon’ny Sampana any Gresy

Efa 100 Taona no Nisian’ny Biraon’ny Sampana any Gresy

Feno 100 taona amin’ny 6 Oktobra 2022 ny nisian’ny biraon’ny sampana tany Gresy.

Taratasy nosoratan’ny Rahalahy Rutherford tamin’ny 6 Oktobra 1922 mba hanisiana biraon’ny sampana tany Gresy

Tamin’ny 1905 no nanomboka nisy nitory ny vaovao tsara tany Gresy amin’ny androntsika. Nazoto be nitory ny hafatra ara-baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Tamin’ny 1922 ny Rahalahy Joseph Rutherford no nanome toromarika mba hisian’ny biraon’ny sampana voalohany tany Gresy, ary tao Atena no nametrahana an’ilay izy. Ny rahalahy Athanassios Karanassios no solontenan’ny sampana voatendry voalohany tany. Nanomboka nanao pirinty boky sy gazety tamin’ny teny grika ny sampana tany, tamin’ny 1936. Roa taona taorian’izay dia namoaka lalàna ny fanjakana hoe tsy azo atao ny mitaona olona hiova fivavahana. Nosamborina àry ny Rahalahy Karanassios tamin’ny 1939. Nohidiana koa ilay fanaovana pirinty dia nalain’ny fanjakana am-bolana vitsivitsy ny tranon’ny fandaminana. Noraisin’ny miaramila ny fitondrana tatỳ aoriana rehefa nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe II i Gresy, dia lasa voarara ny boky sy gazetintsika. Nohidiana koa ny Betela.

Raha vao afaka ilay fandrarana, taorian’ny ady tamin’ny 1945, dia afaka nandamina ny asa fitoriana indray ireo rahalahy nitarika. Nitsidika ny mpiara-manompo tany Gresy ny Rahalahy Nathan Knorr, roa taona tatỳ aoriana, dia nanao fandaharana izy hoe asiana Betela vaovao indray any Tenedou Street any Atena. Tena notahin’i Jehovah ny ezaka mafy nataon’izy ireo. Lasa 3 368 ny isan’ny mpitory tamin’ny 1951, izany hoe nitombo 26 isan-jato ny isan’ny mpitory tao anatin’ny herintaona.

Vita ilay Betela vaovao tany Kartali Street, any Atena, tamin’ny Oktobra 1954 ary notokanana. Nandroso be mihitsy ny fitoriana na dia nisy fanenjehana aza. Nisy miaramila nanongam-panjakana tamin’ny 1967, dia lasa ry zareo no nifehy an’i Gresy. Voarara indray àry ny fivoriana sy ny asa fitoriana tamin’izay.

Niasa tao amin’ny Betela ny Rahalahy Michalis Kaminaris sy Eleftheria vadiny, nandritra an’ilay fandrarana. Nilaza ny Rahalahy Kaminaris hoe: “Nihidy ny fanaovana pirinty tao amin’ny Betela nandritra an’ilay fandrarana. Lasa ny trano nipetrahanay sy Eleftheria teny amin’ny manodidina an’i Atena no nanaovana pirinty. Nampiasa an’izay milina fanoratana navesatra be izay i Eleftheria rehefa nandika ny Tilikambo Fiambenana. Tonga dia nasiany taratasy folo indray niaraka teo amin’ilay milina fanoratana rehefa nanao pirinty izy. Tsy maintsy nanindry mafy be izy rehefa nanoratra tamin’ilay milina. Izaho indray naka an’izay vitany dia nanambatra an’ilay izy. Hoatr’izay foana no nataonay isaky ny hariva, dia nitohy hatramin’ny misasakalina izany. Nisy polisy nipetraka tao ambany rihana fa mbola mahagaga anay foana hoe ahoana àry no tsy nahalalany an’izany mihitsy.”

Nitombo foana ny isan’ny mpitory na dia teo aza ny fandrarana. Nila biraon’ny sampana lehibe kokoa ry zareo tamin’ny 1974 rehefa afaka ilay fandrarana. Tsy nitsahatra nitombo ny isan’ny mpitory tany Gresy nandritra ny am-polony taona nanaraka, dia nila nitarina foana ny biraon’ny sampana. Any Drapetsona, any Pirée, izao ny biraon’ny sampana any Gresy. Notokanana tamin’ny 18 Novambra 2018 izy io. Misy 27 752 izao ny mpitory any Gresy.

Hita mihitsy hoe tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy ‘hanafaingana ny asa amin’ny fotoanany,’ satria na dia voarara imbetsaka aza ny fitoriana ary na dia teo ny ady sy ny fanenjehana dia mbola nitombo foana ny vahoakan’i Jehovah tany Gresy tao anatin’izay 100 taona izay.​—Isaia 60:22.