Hijery ny anatiny

19 JONA 2023
GRESY

Navoaka Tamin’ny Fiteny Rômania (Gresy Atsimo) ny Bokin’i Matio

Navoaka Tamin’ny Fiteny Rômania (Gresy Atsimo) ny Bokin’i Matio

Navoaka tamin’ny 10 Jona 2023 Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio amin’ny fiteny rômania (Gresy Atsimo). Ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no namoaka an’ilay izy, tamin’ilay fivoriana manokana natao tao amin’ny biraon’ny sampana any Pirée, Gresy. Nisy 29 000 mahery no nanaraka an’ilay fandaharana, izay nalefa tany amin’ny fiangonana rehetra tany Gresy sy Chypre. Efa azo nalaina tamin’ny endrika elektronika ilay boky raha vao tapitra ilay fandaharana. Ho afaka mahazo ny vita pirinty amin’izy io ny fiangonana afaka volana vitsivitsy.

Tsy manana fitsipi-pitenenana ny fiteny rômania (Gresy Atsimo), ka vao mainka sarotra ny asan’ny mpandika teny. Misy folo ny mpandika teny miasa ho an’ny fiteny rômania (Gresy Atsimo), ary miasa ao amin’ny biraon’ny sampan’i Gresy izy ireo. Tena manampy be an’ireo mpandika teny ireo koa ny rahalahy sy anabavy miasa avy any an-tranony.

Hoy ny anabavy iray rehefa avy namaky an’ilay bokin’i Matio amin’ny fiteny rômania (Gresy Atsimo): “Nianatra Baiboly tamin’ny fiteny grika aho, dia lasa nahafantatra an’i Jehovah. Azoko tsara aloha ny zavatra vakiko sy henoko e! Vao mainka anefa aho lasa te hampihatra an’ilay izy rehefa voadika amin’ny fiteniko ilay izy.”

Hoy koa ny anabavy iray: “Tena manohina ny foko ny fomba nandikana ny Matio 26:38, 39 amin’ny fiteny rômania (Gresy Atsimo). Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy ao hoe ‘tena malahelo be izy, hoatran’ny efa ho faty.’ Nivavaka tamin’i Jehovah anefa izy mba hanome azy hery hanaovana ny sitrapony. Azoko tsara izao ireo andininy ireo, ary manome toky ahy izany fa tsy hoe ratsy ny malahelo indraindray. Hitako avy amin’ireo andininy ireo koa hoe tena ilaina ny mivavaka mafy mba homen’i Jehovah hery hiatrehana olana, ary tokony hozaraiko amin’ny anadahiko sy rahavaviko ny fihetseham-poko.”

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavy rômania isika, satria hanampy azy ireo ho akaiky kokoa an’i Jehovah io fanomezana tsara be io.​—Jakoba 4:8.