Hijery ny anatiny

Natao sesitany sy nogadraina ny rahalahintsika tany Gresy satria tsy nety nanao miaramila. Nanohy ny fanompoany an’i Jehovah foana anefa ry zareo raha mbola azo natao izany. Nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ohatra, ry zareo

22 DESAMBRA 2022
GRESY

Zato Taona Izay Ry Zareo no Tsy Nianatra Ady Intsony

Zato Taona Izay Ry Zareo no Tsy Nianatra Ady Intsony

Nikos sy Eleni Abatzis

Zava-nitranga miavaka roa no nankalazain’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy tamin’ny taona 2022. Feno 100 taona tamin’io mantsy no nisy tatitra hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ary 25 taona tamin’io no hoe lasa afaka nanao fanompoana sivily izay tsy te hanao miaramila.

Imbetsaka no nisy ady tany Gresy nandritra ny taonjato faha-20, dia tsy maintsy nampiseho ny rahalahintsika hoe tsy anisan’izao tontolo izao ry zareo. Izany izao no nataon’ny Rahalahy Nikos Abatzis sy Nikolaos Rebebos. Ry zareo no Vavolombelon’i Jehovah (nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly tamin’izany) voalohany tany Gresy tsy nanaiky handeha hiady, satria tsy neken’ny feon’ny fieritreretany izany noho ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly.

Tsy nety nandray anjara tamin’ilay ady nifanaovan’i Gresy sy Torkia teo anelanelan’ny taona 1919 sy 1922 ny Rahalahy Abatzis. Izao no notantarainy: “Nalefa tany amin’ny tobin’ny miaramila [tany Azia Minora] aho tamin’izay. ... Niezaka mba ho sahy hitory [tamin’ny miaramila tao] aho, dia noresahiko tamin-dry zareo hoe mifanipaka amin’izay lazain’ny Filazantsara ny ady satria voalaza ao hoe tokony ho tia ny fahavalontsika isika.” Rehefa tapitra ny ady, dia mbola nitory ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly tany amin’ny toerana maro tany Gresy ny Rahalahy Abatzis.

Nikolaos Rebebos sy ny vadiny

I Nikolaos Rebebos indray miaramila nandray anjara tamin’ilay ady nifanaovan’i Gresy sy Torkia. Niova anefa ny fiheverany ny ady rehefa namaky ny Soratra Masina sy ny taratasy mivalona iray nomen’ny Mpianatra ny Baiboly izy. Niteny tamin’ny lehibeny izy tatỳ aoriana hoe tsy handeha hiady intsony, na dia fantany aza fa mety hovonoina ho faty izy vokatr’izany. Tsy nisalasala mihitsy izy nilaza tamin’ilay lehibeny hoe: ‘Tsy hisy haninona na dia ny singam-boloko anankiray aza, raha tsy hoe Andriamanitra mihitsy angaha no mamela an’izany hitranga!’ Nitady ny Mpianatra ny Baiboly izy taorian’ny ady, dia natao batisa tamin’ny 1925.

Ankoatra ny Rahalahy Abatzis sy Rebebos, dia mbola be dia be ny rahalahy grika tsy nandray anjara tamin’ny ady na dia mafy aza ny fanerena an-dry zareo hanao an’izany. Tena be herim-po ireny rahalahintsika ireny satria tsy nanaiky hiditra ho anisan’ny tafi-panjakana na ho lasa miaramila mpikomy ry zareo, nandritra ny Ady Lehibe II sy ilay ady an-trano tany Gresy tamin’ny 1946 ka hatramin’ny 1949. Ny sasany aza novonoina ho faty mihitsy vokatr’izany. Na dia nenjehina aza anefa ry zareo, dia tsy nitsahatra nitory an’ilay hafatra ao amin’ny Baiboly hoe hisy fiadanana indray andro any. Nihabetsaka àry ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy, ka lasa 2 808 ry zareo tamin’ny 1949 raha 178 fotsiny tamin’ny 1940.

Mazoto mitory ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy

Mbola nogadraina foana izay rahalahy tsy nety nanao miaramila. Nisy 3 788 ny tontalin’ny rahalahy nampidirina am-ponja noho izany antony izany. Namoaka lalàna anefa ny fanjakana tao Gresy tamin’ny 1997 hoe mahazo mifidy ny hanao fanompoana sivily izay tsy te hanao miaramila. Dia 100 eo ho eo amin’izao ny rahalahintsika any Gresy no nanaiky hanao an’io fanompoana sivily io.

Nahatratra 27 995 ny isan’ny mpitory tany Gresy tamin’ny taom-panompoana 2022, ary 420 ny isan’ny natao batisa.

Hita hoe nanohana an’ireo rahalahintsika any Gresy i Jehovah nandritra an’izay 100 taona lasa izay, satria matoky azy ry zareo sady tapa-kevitra ny tsy hianatra ady intsony.​—Isaia 2:4.