16 MARTSA 2021
GUINÉE ÉQUATORIALE
Zavatra Nipoaka Nahafaty Olona Tany Guinée Équatoriale
Toerana
Mondong Nkuantoma sy ny manodidina, ao amin’ny tanànan’i Bata, any Guinée équatoriale
Zava-nitranga
Nisy zavatra maromaro nipoaka tao amin’ny toby miaramila iray, tamin’ny 7 Martsa 2021. Any amin’ilay tanàna lehibe indrindra any Guinée équatoriale no misy an’io toby io. Be dia be ny zavatra simba, vokatr’izany
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 12 no naratra kely
Mpitory 42 no nafindra toerana
Ankizivavy 1 sivy taona, zanaky ny anabavy iray, no naratra mafy
Misy mpitory sasany namoy ny havany tsy Vavolombelona
Zavatra simba
Trano 23 no simba kely
Trano 6 no simba be
Trano 6 no rava
Fanampiana tra-boina
Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray notendrena handamina ny fanampiana tra-boina. Miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana izy io, mba hahitana hoe hatraiza ny fahasimbana ary inona ny zavatra ilain’ireo rahalahy sy anabavy
Miara-misalahy koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy amin’ny fampaherezana ny mpitory
Manaraka tsara ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana
Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika tratran’iny loza iny isika, mba hialoka amin’i Jehovah foana ry zareo.—Salamo 46:1.