15 JONA 2023
HAÏTI
Nisy Tondra-drano Nandravarava Tany Haïti
Avy be ny orana tany Haïti tamin’ny 2 sy 3 Jona 2023, ka nahatonga tondra-drano be tany amin’ny faritra sasany. Milaza ny tatitra hoe trano an’aliny no tratran’ilay tondra-drano, ary fianakaviana 40 000 latsaka kely no tra-boina tany amin’ny faritra maro tany Haïti. Maherin’ny 13 500 koa ny olona tsy maintsy nafindra toerana, ary nisy 50 fara fahakeliny ny namoy ny ainy.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Rahalahy 1 sy anabavy 1 no naratra
Mpitory 60 no nafindra toerana
Trano 1 no rava
Trano 3 no simba be
Trano 19 no nisy simba kely
Tsy nisy simba ny Efitrano Fanjakana na trano ampiasain’ny fandaminana
Fanampiana tra-boina
Nizara hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana, mba hampaherezana an’ireo mpiara-manompo any amin’ny faritra tratran’ilay loza. Manome fanampiana hafa koa izy ireo
Mandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina koa ny fiangonana any an-toerana
Matoky isika hoe homen’i Jehovah hery ireo rahalahy sy anabavintsika tra-boina noho ny tondra-drano any Haïti.—Salamo 29:11.