Hijery ny anatiny

15 OKTOBRA 2018
HAÏTI

Horohoron-tany any Amin’ny Faritra Avaratr’i Haïti

Horohoron-tany any Amin’ny Faritra Avaratr’i Haïti

Nisy horohoron-tany mirefy 5,9 amin’ny maridrefy Richter tany amin’ny faritra avaratr’i Haïti, tamin’ny asabotsy 6 Oktobra 2018. Olona 17 no maty ary 300 mahery no naratra.

Tsy nisy maty ny mpiara-manompo amintsika fa mpitory roa no naratra kely. Ny tatitra voalohandohany avy amin’ny mpiandraikitra ny faritra no nahalalana hoe trano 44 sy Efitrano Fanjakana 4 no simba. Olona 50 eo ho eo amin’ireo rahalahintsika sy ny havany akaiky, izay mipetraka any Port-de-Paix, no tsy maintsy nafindra toerana satria tsy azo antoka ny tranony. Ny fiangonana any ihany no mikarakara an’ireo fianakaviana ireo. Nitsidika an’ireo faritra niharan-doza ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Haïti sy ny rahalahy roa avy ao amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana mba hanadihady momba ny fahasimbana sy hitondra fampaherezana. Natsangana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba handamina ny fanampiana an’ireo tra-boina.

Mahatsiaro an’ireo mpiara-manompo amintsika any Haïti isika sady mivavaka ho azy ireo. Misaotra an’i Jehovah isika satria mampionona ny mpanompony tsy mivadika izy, araka ny efa nampanantenainy.—Salamo 119:76.