Hijery ny anatiny

10 AOGOSITRA 2016
HAUT-KARABAKH

Gadrain’i Haut-Karabakh Tsy Ara-drariny Ireo Tsy Mety Manao Miaramila

Gadrain’i Haut-Karabakh Tsy Ara-drariny Ireo Tsy Mety Manao Miaramila

Roapolo taona i Artur Avanesyan. Tsy nety nanao miaramila izy, ka voaheloka higadra roa taona sy tapany any amin’ny fonjan’i Shushi, any Haut-Karabakh. Efa vonona ny hanao fanompoana sivily anefa izy. Manana zo handa tsy hanao miaramila mantsy izy raha tsy eken’ny eritreriny izany. Tsy manaiky an’izany anefa ny fitsarana isan’ambaratongany rehetra any Haut-Karabakh.

Vavolombelon’i Jehovah Atoa Avanesyan. Hoy izy, rehefa nanazava ny zavatra inoany sy ny fanapahan-keviny: “Tsy eken’ny eritreritro izany hoe hanao miaramila izany. Tiako ny mpiara-belona amiko, ka tsy te hampiasa fitaovam-piadiana aho na hianatra hamono olona.” Hoy koa izy: “Tsy hoe tsy te hanao ny adidiko amin’ny fireneko akory aho. Efa nangataka hanao fanompoana sivily aho ho solon’ny raharaha miaramila, nefa tsy navela hanao an’izany.”

Tsy navela hanao fanompoana sivily

Voantso hankany amin’ny birao mikarakara ny raharaha miaramila ao Askeran, any Haut-Karabakh, Atoa Avanesyan, tamin’ny 29 Janoary 2014. Nandefa fangatahana izy ny ampitson’iny mba hanao fanompoana sivily fa tsy hanao miaramila, satria tsy eken’ny eritreriny izany. Naka mpisolovava hanampy azy koa izy, satria efa fantany fa tsy mbola misy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila any Haut-Karabakh.

Manana pasipaoro armenianina Atoa Avanesyan. Tonga dia niresaka momba an’izany tamin’ny manam-pahefana tany Armenia sy tany Haut-Karabakh ilay mpisolovavany. Hoatran’ny hoe afaka manao fanompoana sivily any Armenia Atoa Avanesyan, raha araka ny resaka nifanaovan-dry zareo. Nifindra tany Armenia àry izy. Nandefa taratasy tany amin’ny birao mikarakara ny raharaha miaramila any Masis, any Armenia, izy tamin’ny 13 Febroary 2014. Nangataka izy tamin’izay mba hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila.

Tsy niantso an’Atoa Avanesyan mihitsy anefa ny birao misahana ny fanompoana sivily any Armenia. Ny polisy tany Erevan, any Armenia, indray no niantso azy ho any amin’ny paositry ny polisy, tamin’ny 14 Jolay 2014. Efa nisy polisy avy any Haut-Karabakh niandry azy anefa tao. Tonga dia nosamborin-dry zareo izy ary nentina niverina tany Askeran, any Haut-Karabakh. Tsy mba nanontaniana akory ny heviny tamin’izany. Tsy nisy taratasy navoakan’ny fitsarana mandidy ny hisamborana azy na zavatra ara-dalàna hafa natao, fa tonga dia nosamboriny fotsiny tamin’izao izy.

Nogadraina ary notsaraina

Vao 18 taona Atoa Avanesyan tamin’izy natory voalohany tany am-ponja, tamin’ny 14 Jolay 2014. Notsaraina izy ny ampitson’iny. Tamin’izay vao fantany fa hay efa namoaka didy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany any Haut-Karabakh talohan’izay, hoe tokony hosamborina sy hogadraina izy na dia mbola tsy notsaraina aza. Nohamafisin’ny fitsarana izany didy efa navoakany izany, ka nalefa tany amin’ny fonjan’i Shushi izy. Imbetsaka izy no nangataka mba hafahana, nefa nolavina foana izany.

Nomelohin’i Spartak Grigoryan, mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany any Haut-Karabakh, Atoa Avanesyan tamin’ny 30 Septambra 2014. Voaheloka higadra roa taona sy tapany izy, satria mitady tsy hanao miaramila, hono. a Tsy neken’Atoa Avanesyan ilay didim-pitsarana, ka nampakariny tany amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Tampony any Haut-Karabakh. Nanohana ny hevitr’ilay mpitsara anefa izy ireo, ka amin’ny Janoary 2017 izy vao ho afaka any am-ponja.

Tsy kivy na dia hiharan’ny tsy rariny aza

Hoy i Shane Brady, anisan’ny mpisolovava nanampy an’Atoa Avanesyan: “Nosamborina Atoa Avanesyan, nogadraina, ary nomelohina noho ny zavatra inoany. Tapa-kevitra ny tsy hiova hevitra mihitsy anefa izy, na dia gadraina tsy ara-drariny aza.” Nilaza Atoa Brady fa efa avelan’ny tompon’andraikitry ny fonja hanana Baiboly sy boky fianarana Baiboly izao Atoa Avanesyan. Efa mahazo mitsidika azy koa ny fianakaviany.

Lany haika tamin’ireo fitsarana any Haut-Karabakh Atoa Avanesyan, ka nandefa fangatahana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH). Manantena izy fa hanome rariny azy io fitsarana io (na dia mety ho efa tafavoaka ny fonja aza izy vao hivaly ny fangatahany). Efa imbetsaka mantsy izy io no nanohana ny zon’ireo tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Namoaka didy, ohatra, ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny CEDH, tamin’ilay raharaha Bayatyan miady amin’i Armenia, fa manana zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretany ary hanaraka ny fivavahany ireo tsy mety manao miaramila noho ny fieritreretany. Mbola namerina nilaza an’izany ny CEDH tamin’ny didim-pitsarana hafa navoakany tatỳ aoriana. b

Noho ireny didim-pitsarana navoakan’ny CEDH ireny, dia lasa nohajaina ny zon’ireo tsy mety manao miaramila, na dia amin’ny fotoana isian’ny korontana sy ady aza. Nilaza, ohatra, ny fitsarana ambony any Ukraine tamin’ny Jona 2015 fa afaka manao fanompoana sivily ireo tsy te hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, na dia tsy mandry aza ny tany.

Mba hisy vahaolana ihany ve ho an’ireo tsy mety manao miaramila any Haut-Karabakh?

Manan-jo tsy hanao miaramila ny olona satria anisan’ny zo fototra izany. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah any Haut-Karabakh sy maneran-tany fa hanaja an’izany ny fitondrana any. Tsy te hamono olona ireny tovolahy ireny, ka tsy aleo ve izy ireo hampanaovina fanompoana sivily toy izay hogadraina foana? Manaraka ny lalàna eoropeanina koa i Haut-Karabakh, raha manao an’izany. Manaja ny zavatra inoan’ny tovolahy hoatran’i Artur Avanesyan koa izy ireo amin’izay.

a Nanomboka tamin’ny 14 Jolay 2014 no nigadra i Artur Avanesyan, ary haharitra roa taona sy tapany ny saziny.

b Jereo ilay hoe Erçep miady amin’i Torkia, no. 43965/04, 22 Novambra 2011; Feti Demirtaş miady amin’i Torkia, no. 5260/07, 17 Janoary 2012; Buldu sy ny Hafa miady amin’i Torkia, no. 14017/08, 3 Jona 2014.