Hijery ny anatiny

12 SEPTAMBRA 2016
HAUT-KARABAKH

Nahazo Famotsoran-keloka i Artur Avanesyan ary Nafahana Tany Am-ponja

Nahazo Famotsoran-keloka i Artur Avanesyan ary Nafahana Tany Am-ponja

Nafahana avy ao amin’ny fonjan’i Shushi ny tovolahy 20 taona antsoina hoe Artur Avanesyan, tamin’ny 6 Septambra 2016, satria nanao famotsoran-keloka faobe ny manam-pahefana any Haut-Karabakh. Efa nigadra 26 volana Atoa Avanesyan, raha 30 volana no saziny satria voampanga ho nandositra tsy mety manao miaramila izy. Raha ny marina anefa dia efa nangataka hanao fanompoana sivily izy ho solon’ny fanaovana miaramila, fa tsy noraharahain’ny manam-pahefana ny fangatahany. Faly be izy izao fa tafaraka amin’ny fianakaviany indray.

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah satria nafahana Atoa Avanesyan. Manantena izy ireo fa hanaja ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana ny manam-pahefana any Haut-Karabakh, ary hamela ny tovolahy any hifidy hoe hanao fanompoana sivily sa hanao miaramila.