Hijery ny anatiny

Ambony: Ilay Betela tany Amsterdam tamin’ny 1964. Ambany: Rahalahy sy anabavy niasa tao amin’ny biraon’ny Betela, tamin’ny taona 1950 sy 1960 tany ho any

7 OKTOBRA 2022
HOLANDY

Ny Fitsapana sy Fandresena Tany Holandy Nandritra Izay Zato Taona Izay

Ny Fitsapana sy Fandresena Tany Holandy Nandritra Izay Zato Taona Izay

Feno zato taona tamin’ity 2022 ity ny nanorenana ny sampan’i Amsterdam, renivohitr’i Holandy. Hita hoe nanam-pinoana sy fahasahiana be ny rahalahy sy anabavintsika tany, nandritra an’izay fotoana izay.

Taoriana kelin’ny taona 1900 ny vaovao tsara no tonga tany Holandy. Nisy tovolahy atao hoe Heinrich Brinkhoff tamin’izay, nanomboka namaky boky navoakan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sy ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Notantarainy tamin’ny hafa avy eo ny zavatra nianarany, dia nitombo ireo voan’ny fahamarinana ireo. Nitsidika an’i Eoropa ny Rahalahy Joseph F. Rutherford tamin’ny 1920, ka nanorina sampana tany Soisa. Io birao io koa no niandraikitra an’i Holandy. Notendren’ny Rahalahy Rutherford hiandraikitra ny asa tany Holandy avy eo ny Rahalahy Adriaan Block, tamin’ny 1921. Tamin’ny 1922 no nisy sampana naorina tany Amsterdam.

Lasa voalamina tsara kokoa ny asa fitoriana tany, satria efa nisy biraon’ny sampana amin’izay. Nitombo foana koa ny isan’ny mpanompon’i Jehovah. Lasa nisy mpitory 500 teo ho eo tany, taloha kelin’ny Ady Lehibe II.

Ny Nazia no lasa nifehy an’i Holandy rehefa nipoaka ny ady. Nenjehina be ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa tamin’izay. Vavolombelon’i Jehovah holandey 300 teo ho eo no nalefa sesitany, ka nalefa tany amin’ny toby fitanana ny ankamaroan-dry zareo. Nisy 130 teo ho eo ny mpiara-manompo amintsika matin’ny aretina sy ny zavatra hafa. Mbola nitombo ihany anefa ny isan’ny Vavolombelona tany Holandy na dia nenjehina hoatr’izany aza, ka tafakatra ho 3 125 rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1945.

Mbola tsy hoe tapitra anefa akory ny fanenjehana rehefa tapitra ny ady. Nanenjika be ny Vavolomben’i Jehovah mantsy ny Eglizy Katolika, indrindra fa ny tany amin’ny faritra atsimon’ilay firenena. Anisan’ny niavaka tamin’izany ilay nitranga tamin’ny 1952. Notadiavin’ny Eglizy Katolika hajanona ilay fivoriambe tany Venlo. Lasa tsy nanaiky hampanofa an’ilay toerana tokony hanaovana fivoriambe indray àry ny tompon’ilay izy, vokatr’izany. Tsy kivy anefa ny rahalahintsika fa nanangana tranolay teny an-kalamanjana, dia teny no nanaovana an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra.

Mbola nanohy ny nataony ihany ny mpanohitra. Nisy vahoaka 1 000 mahery tonga nanakorontana an’ilay fandaharana. Nisy polisy nanao bemidina koa aza tany, dia nisambotra ny rahalahintsika sasany nandritra ny fandaharana alahady hariva.

Ilay biraon’ny sampana any Emmen amin’izao

Tsy nisy nahomby anefa izany. Nanome toromarika tsara be ho an’izay rahalahy tompon’andraikitra tao ny biraon’ny sampana, dia nizotra tsara ihany ilay fandaharana.

Mbola nitahy an’ireo rahalahy ireo ihany i Jehovah satria tsy nilavo lefona mihitsy ry zareo. Nafindra tany amin’ilay trano vaovao tany Emmen mantsy ny sampan’i Holandy tamin’ny 1983. Efa ho 30 000 izao ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Holandy amin’izao 2022 izao.

Hita tamin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Holandy, fa tsy ‘handao na hahafoy’ ny mpanompony mihitsy i Jehovah.​—Deoteronomia 31:6.