Hijery ny anatiny

18 JONA 2020
INDE

Mahita Hevitra ny Mpandika Teny any Inde na eo aza ny Valanaretina

Mahita Hevitra ny Mpandika Teny any Inde na eo aza ny Valanaretina

Miatrika olana ny biraon’ny fandikan-teny mitokana (BFM) 11 any Inde, izay mandika ny bokintsika ho amin’ny fiteny 36, noho ny fiparitahan’ny COVID-19. Mahita fomba hanohizana ny asany anefa ny ekipa mpandika teny any noho ny fanampian’i Jehovah.

Tena ilaina ny miara-miasa rehefa mandika teny. Tsy afaka mihaona mivantana anefa ny mpandika teny any Inde satria hentitra ny fepetra noraisin’ny fanjakana momba ny fihibohana. Efa miparitaka be mantsy ny COVID-19. Tsy afaka mihaona ao amin’ny BFM koa izay tokony hiara-miasa mba handray feo sy video ao.

Nanomboka nanao vidéoconférence ny mpandika teny ao amin’ny BFM ary tsy miaraka amin’izy ireo koa ny olona alainy feo fa any an-toeran-kafa, satria tsy afaka mihaona mivantana izy ireo. Nihabetsaka àry ny olona afaka nanampy ny mpandika teny, satria na ny rahalahy sy anabavy any an-tany hafa aza afaka nanao an’izany, ohatra hoe ny any Bangladesy na Etazonia.

Nahita hevitra hamoahana video amin’ny tenin’ny tanana koa ny mpandika teny na dia tsy mihaona mivantana aza. Ny efitra fatoriany no navadiky ny sasany ho fakana video, ka izay zava-nisy teo no nampiasainy. Ny telefaoniny, ohatra, no nakany video satria tsy nisy kamerà avo lenta, ary ataony eo ambony baoritra ilay izy.

Miantehitra amin’i Jehovah koa ny mpandika teny ao amin’ny BFM mba hahafahana manohy ny asa sy tsy ho kivy. Izao no nolazain’ny sasany amin’izy ireo:

Hoy ny Rahalahy Jose Francis, any Calcutta: “Mety tsy hahita afa-tsy olana ny olona rehefa ao anatin’ny sarotra, fa i Jehovah kosa mahita vahaolana.”

Hoy ny Ranabavy Bindu Rani Chandan, any Bangalore: “Faly be aho na dia miatrika olana aza satria fantatro hoe mampiasa ahy i Jehovah amin’izao fotoana mampidi-doza izao.”

Nilaza ny fihetseham-pony koa ny Ranabavy Rubina Patel any Vadodara. Hoy izy: “Tsy misy mahasakana an’i Jehovah sy ny fandaminany, na dia ny coronavirus aza.”

Faly isika manana rahalahy sy anabavy miasa mafy mandika teny. Matoky isika hoe ny fanahy masin’i Jehovah no manampy azy ireo hahavita ny asany. Ny fanahy masina koa no mahatonga antsika hatoky fa ho tanteraka ilay faminanian’i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.”—Matio 24:14.