1 NOVAMBRA 2023
INDE
Mifampahery sy Mifanampy ny Vavolombelona any Inde Taorian’ilay Fipoahana Baomba Tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
Araka ny tatitra navoaka tamin’ny Vaovao Tselatra tao amin’ny jw.org, dia nisy baomba maromaro nipoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra anankiray tany Kerala, any Inde, tamin’ny Alahady 29 Oktobra 2023. Mampalahelo fa ankoatra an’ireo anabavy roa namoy ny ainy, dia nisy ankizivavy 12 taona maty noho ny ratra nahazo azy. Rahalahy sy anabavy 55 no maratra, ary maratra mafy ny sasany amin-dry zareo.
Anabavy telo sy rahalahy roa no mbola any amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao, ary atahorana ny ainy. Nilaza ny manam-pahefana fa baomba telo, fara fahakeliny, no nisy nanapoaka nandritra ny vavaka fanokafana, tamin’ny 9.40 maraina teo ho eo. Efa voasambotra ilay olona ahiahin’ny polisy ho nahavita an’io heloka mahatsiravina io, ary efa mandeha ny famotopotorana.
Isaorantsika be dia be ireo mpamonjy voina izay tonga haingana mba hanampy sy ny mpiasan’ny hopitaly izay mbola mikarakara an’ireo maratra.
Nampahery sy nanohina ny fon’ny mpanatrika an’ilay fivoriambe koa ny nahita hoe mifankatia sy mifanampy ireo rahalahy sy anabavy. Izao no nolazain’ny anabavy iray, izay tao amin’ilay toerana nipoahan’ilay baomba: “Tonga aho dia nivavaka tamin’i Jehovah. Tena nanampy be anay ny mpikarakara mpanatrika sy ny ranadahy hafa sady nanao zavatra haingana mba ho voaro izahay. Hitako amin’izany hoe tena tia sy miahy antsika tsirairay i Jehovah.”
Mbola manome fampaherezana avy amin’ny Baiboly sy mampionona an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’ilay loza ny solontenan’ny biraon’ny sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy eo an-toerana. Nankany Kerala ny anti-panahy iray avy ao amin’ny biraon’ny sampana mba hampahery an’ireo mpiara-manompo niharan’ilay loza. Izao no nolazainy: “Be dia be no taitra mafy sy mijaly ary mikorontan-tsaina. Mampahery anefa ny mahita hoe miezaka hanana toe-tsaina tsara ireo rahalahy sy anabavy maratra. Be dia be no niresahako, dia hitako hoe miantehitra amin’i Jehovah ry zareo. Manatanjaka ny finoako izany.”
Fianakaviana iray ihany isika eran-tany, ka mivavaka ho an’ireo namoy havana sy izay rehetra niharan’iny loza tany Inde iny. Mampionona sy mampitony antsika ilay fampanantenana ao amin’ny Baiboly hoe tsy hisy herisetra sy fijaliana ary fahafatesana intsony amin’ny hoavy. Tapa-kevitra foana koa isika hoe hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah sy hatoky azy foana.—Salamo 56:3.