Hijery ny anatiny

12 NOVAMBRA 2013
INDE

Namely An’i Inde ny Rivo-doza Phailin

Namely An’i Inde ny Rivo-doza Phailin

Namely an’i Odisha sy Andhra Pradesh, any amin’ny faritra atsinanan’i Inde, ny Rivo-doza Phailin tamin’ny 12 Oktobra 2013. Io no rivo-doza nahery vaika indrindra tany Inde tato anatin’ny folo taona. Efa ao amin’ny sokajy fahefatra izy io, satria mihoatra ny 225 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany. Olona ana hetsiny tany Odisha no voatery nifindra toerana. Nampisy tondra-drano be ilay izy, ka olona tsy latsaka ny 43 no maty. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra tany amin’ireo faritra ireo. Vao nananontanona mantsy ilay rivo-doza dia efa nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Inde, mba hanampiana Vavolombelona 70 teo ho eo hiala tany Andhra Pradesh, faritra amoron-tsiraka. Nafindra tany amin’ny tranon’ny Vavolombelona namany izy ireo sady nokarakaraina tsara.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Inde: Tobias Dias, tel. +91 9845476425