Hijery ny anatiny

30 OKTOBRA 2020
INDE

Navoaka Tamin’ny Fiteny Telo any Inde ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Fiteny Telo any Inde ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka tamin’ny fiteny gujarati sy pendjabi ary kannada Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny endrika elektronika, tamin’ny alahady 25 Oktobra 2020. Nalaina video mialoha ny lahateny namoahana an’ireo Baiboly ireo, ka afaka nijery an’ilay fandaharana tany an-tranony ny mpitory. Afaka naka Baiboly amin’ny fiteniny avy hatrany izy ireo taorian’ilay fandaharana.

Gujarati

Olona 61 tapitrisa eo ho eo no miteny gujarati maneran-tany.

Mpandika teny enina no nandika an’ilay Baiboly nandritra ny fito taona. Hoy ny mpandika teny iray: “Faly be izahay nahazo an’ilay Baiboly. Teny tsotra no ampiasaina ao, ka na ny ankizy madinika aza dia afaka mahazo tsara an’ilay izy.”

Hoy koa ny mpandika teny iray: “Naverina ao amin’izay toerana rehetra nisy azy tao amin’ny Baiboly tany am-boalohany ilay anarana hoe Jehovah. Vao mainka izao hatanjaka ny finoan’ny mpiara-manompo rehefa mampiasa an’io Baiboly io amin’ny fianarana samirery.”

Azo antoka hoe ho faly ny olona rehefa mamaky an’io Baiboly io satria mora azo ilay fandikan-teny. Hanampy ny “mpandefitra” hahafantatra an’i Jehovah koa izy io.—Salamo 25:9.

Kannada

Samy hafa be ny teny kannada rehefa tenenina sy soratana. Miovaova arakaraka ny faritra ny fomba itenenana an’ilay izy. Sarotra tamin’ny mpandika teny àry ny nitady teny tsotra sady mora azon’ny olona any amin’ny faritra rehetra, nefa koa marina tsara sy mamoaka ny hevitra ao amin’ny Baiboly.

Mpandika teny folo no nandika an’ilay Baiboly nandritra ny fito taona mahery. Hoy ny mpandika teny iray: “Nieritreritra aho hoe amin’ny 2021 ity Baiboly ity vao hivoaka noho ny valanaretina COVID-19. Navoaka ihany anefa ilay izy izao, dia hita mihitsy hoe tsy misy mahasakana ny asan’i Jehovah.”

Hoy koa ny mpandika teny iray hafa: “Afaka mamaky ny tenin’i Jehovah amin’ny fiteniny andavanandro izao ny olona miteny kannada. Mahita an’ilay anarana hoe Jehovah eo amin’ny toerana tokony hisy azy ao amin’ny Baiboly koa ry zareo. Mahafinaritra be ny mieritreritra an’izany!”

Misy mpitory 2 800 mahery miteny kannada ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Inde. Matoky isika hoe hanampy an’ireo mpitory ireo ilay Baiboly. Efa ho 46 tapitrisa koa ny olona mampiasa an’io fiteny io maneran-tany. Hanampy azy ireo io Baiboly io mba hahazo tsara “ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany”.—Romanina 11:33.

Pendjabi

Mpandika teny enina no nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny pendjabi, nandritra ny 12 taona. Olona 100 tapitrisa mahery no miteny pendjabi any Inde sy ny manodidina azy ary maneran-tany. Handray soa amin’io Baiboly io daholo ireo olona ireo.

Hoy ny mpandika teny iray: “Izay fitaovana nisy teo am-pelatananay no nampiasainay rehefa nandika an’ilay Baiboly. Nanampy be anay anefa i Jehovah, dia vita ilay tetikasa. Hanatanjaka ny finoan’ny mpiara-manompo io Baiboly io, sady hanampy an-dry zareo tsy hanahy be loatra amin’izao ary hahavita hiatrika fitsapana amin’ny hoavy.”

Hoy koa ny mpandika teny iray: “Tena ho tian’ny olona tso-po izao ny mamaky an’ity Baiboly ity, indrindra fa ny boky ahitana tononkalo. Handray soa koa izy ireo rehefa mampiasa ny fitaovana fanaovana fikarohana ao amin’ilay Baiboly.”

Misaotra an’i Jehovah miaraka amin’ireo mpiara-manompo amintsika ireo isika, satria “maro loatra” ny ‘asany mahatalanjona’, ka ‘tsy ho voatanisantsika.’—Salamo 40:5.