28 JONA 2021
INDE
Navoaka Tany Inde Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Tamin’ny Teny Tamoul Amin’ny Soratra Romanina
Nivoaka tamin’ny teny tamoul amin’ny soratra romanina Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 27 Jona 2021. Mpiara-manompo miteny tamoul any amin’ny tany 16 no nijery an’ilay fandaharana natao tamin’ny alalan’ny Internet.
Mombamomba An’ilay Tetikasa
Olona 85 tapitrisa eo ho eo maneran-tany no miteny tamoul
Mpitory 20 500 mahery no manompo any amin’ny fiangonana 334 sy antoko-mpitory 32 miteny tamoul
Mpandika teny 5 no namita an’ilay tetikasa tao anatin’ny enim-bolana
Nivoaka tamin’ny Septambra 2016 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny soratra tamoul. Fitahiana be ho an’ny olona miteny tamoul maneran-tany ilay Baiboly tamin’izay. Sarotra amin’ny olona sasany miteny tamoul anefa ny mamaky an’ilay Baiboly amin’ny soratra tamoul, fa aleon’izy ireo Baiboly amin’ny soratra romanina.
Nilaza ny iray tamin’ilay mpandika teny, rehefa nieritreritra momba ny fianarany samirery hoe: “Sahirana be aho rehefa namaky an’ilay Baiboly amin’ny soratra tamoul dia tsy maintsy nampiasa fandikan-teny anglisy. Tena hanampy be an’ahy mihitsy ity Baiboly vaovao ity.”
Mino isika fa tena hanampy mpiara-manompo be dia be ‘hisaintsaina’ ny Tenin’Andriamanitra io Baiboly vaovao io, dia hanampy azy ireo ho falifaly sy ho sambatra eo amin’ny fiainana ary hahomby amin’ny fanompoana.—Josoa 1:8