Hijery ny anatiny

Rahalahy sy anabavy mifamihina tamin’ilay fivoriana manokana natao tany Kerala, any Inde, tamin’ny 4 Novambra 2023

17 NOVAMBRA 2023 | VAOVAO FARANY: 8 DESAMBRA 2023
INDE

VAOVAO FARANY: Niakatra ho Valo ny Isan’ny Maty Taorian’ilay Baomba Nipoaka Tany Inde

VAOVAO FARANY: Niakatra ho Valo ny Isan’ny Maty Taorian’ilay Baomba Nipoaka Tany Inde

Maty vokatry ny ratra nahazo azy tamin’ilay baomba nipoaka tany Kerala, any Inde, ny rahalahy iray 76 taona, tamin’ny asabotsy 2 Desambra 2023. Anti-panahy sady mpisava lalana maharitra izy. Mampalahelo fa maty vokatry ny ratra nahazo azy koa ny vadiny, dimy andro tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny alakamisy 7 Desambra. Mpisava lalana maharitra koa izy. Raha atambatra, dia rahalahy sy anabavintsika valo no maty tamin’iny loza mahatsiravina iny.

Nisy baomba maromaro nipoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra anankiray tany Kerala, any Inde, tamin’ny alahady 29 Oktobra 2023. Mampalahelo fa ankoatra an’ireo telo namoy ny ainy tamin’ny tatitra teo aloha, dia nisy rahalahy iray sy anabavy roa koa maty. Anisan’izany ny maman’ilay ankizivavy 12 taona izay maty farany teo sy ny anadahiny. Ankoatra izay, dia rahalahy sy anabavy 11 no mbola any amin’ny hopitaly.

Nahazo alalana handamina fivoriana manokana ny sampan’i Inde mba hampiononana sy hampaherezana an’ireo tratran’iny loza iny. Natao ny 4 Novambra 2023 ilay fivoriana. Nasaina hanatrika azy io ny rahalahy sy anabavy tao amin’ireo fiangonana 21 nanatrika an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra nisy an’ilay fipoahana. Natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray teo an-toerana ilay fandaharana, ary efa ho 200 ny mpanatrika tao. Nisy 1 300 no nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence, ary noraisina feo koa ilay izy mba ho an’ireo izay mbola any amin’ny hopitaly. Niresaka ny Salamo 23:1 ny anti-panahy iray avy ao amin’ny biraon’ny sampana ary nanasongadina hoe tena miahy ny mpanompony tsirairay i Jehovah. Hoy izy: “Tsy milaza ilay andininy hoe mpiandry fotsiny i Jehovah na koa hoe mpiandry tena tsara. Resahin’ilay mpanao salamo kosa hoe i Jehovah no ‘mpiandry ahy.’ Tena mampionona antsika ny mahalala hoe miahy ny tsirairay amintsika i Jehovah!”

Anabavy roa mifampahery

Nilaza ny rahalahy iray nanatri-maso an’ilay fipoahana fa mbola sahirana be izy hatramin’izao vao mahita tory. Na eo aza anefa izany olana izany, dia nanolo-tena hanampy an’ireo izay mbola any amin’ny hopitaly izy. Hoy izy: “Lasa hadinoko ny tebitebiko rehefa mandinika ny finoana sy ny toe-tsaina tsara ananan-dry zareo aho. Na dia eo aza ny ratra sy ny fanaintainana mahazo azy ireo, dia mbola faly manao ny hiran’ilay Fanjakana ihany ny ankamaroany.” Hoy koa ny rahalahy iray hafa: “Mety ho elaela ireny namantsika ireny vao ho tafaverina indray amin’ny fiainana nahazatra azy. Na izany aza, dia matoky aho hoe ho eo foana ireo rahalahy sy anabavy haneho fitiavana azy ireo. Matoky koa aho hoe mitazona ny tsirairay amin-dry zareo amin’ny tanany mahery ilay Andriamanitsika be fitiavana. Tena mampahery izany!”

Fianakaviana iray isika maneran-tany, ka mampionona sy mampahery antsika ny mahalala fa manohy manasitrana an’ireo torotoro fo sy mamono ny ratran’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika any Inde i Jehovah.​—Salamo 147:3.