Hijery ny anatiny

11 NOVAMBRA 2014
INDE

Manohana ny Zo Haneho Hevitra ny Didim-pitsarana Niavaka Navoakan’ny Fitsarana Tampony Tany Inde

Manohana ny Zo Haneho Hevitra ny Didim-pitsarana Niavaka Navoakan’ny Fitsarana Tampony Tany Inde

Nandeha nianatra toy ny mahazatra ny ankizy telo tao amin’ny tanàna kely iray any Kerala, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Inde, tamin’ny 8 Jolay 1985. Nasain’ny talen-tsekoly nohiraina tao an-dakilasy anefa tamin’io andro io ilay hiram-pirenen-dry zareo hoe “Jana Gana Mana.” Nasaina nitsangana sy nihira ny rehetra. Tsy nety nanao an’izany anefa i Bijoe, 15 taona, sy ny zandriny roa vavy: Binu Mol (13 taona) sy Bindu (10 taona). Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ka tsy eken’ny eritreriny ny hanao hiram-pirenena. Tena mino mantsy izy ireo hoe toy ny manompo sampy raha manao an’izany, sady mivadika amin’i Jehovah Andriamaniny.

Niresaka tamin’ilay tale sy tamin’ny mpampianatra za-draharaha vitsivitsy i V. Emmanuel, rain’ireo ankizy. Nanaiky daholo ry zareo hoe avela hianatra ireo ankizy na dia tsy manao hiram-pirenena aza. Nisy mpiasa iray tao amin’ilay sekoly anefa naheno an’ilay resaka, ary nitantara an’izany tamin’olona. Tonga tany am-poto-tsofin’ny mpikambana iray tao amin’ny Antenimiera ilay izy, tamin’ny farany. Nentiny teo anatrehan’ny Antenimiera ilay raharaha, satria nihevitra izy fa tsy tia tanindrazana ireo ankizy ireo matoa nanao an’izany. Tsy ela dia nasain’ny mpanara-maso ny sekoly noroahin’ilay tale ireo ankizy, raha mbola tsy mety manao hiram-pirenena. Nangataka tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ilay sekoly Atoa Emmanuel, mba hamerenana ny zanany hianatra, nefa tsy nisy vokany izany. Nalefany tany amin’ny Fitsarana Avo àry ny fangatahany. Mbola tsy nahazo rariny ihany izy, ka nampakariny tany amin’ny Fitsarana Tampony any Inde ilay raharaha.

Nanohana ny zon’izy ireo ny Fitsarana Tampony

Novan’ny Fitsarana Tampony ilay didy navoakan’ny Fitsarana Avo tao Kerala, tamin’ilay raharaha Bijoe Emmanuel Miady Amin’ny Fanjakan’i Kerala. Nilaza ilay fitsarana fa nandika ny Lalàm-panorenana any Inde ny fandroahana an’ireo ankizy noho izy ireo nanaraka ny feon’ny fieritreretany, ka tsy niala tamin’ny zavatra inoany. Hoy ny mpitsara atao hoe Chinnappa Reddy: ‘Tsy misy mihitsy lalàna manery an’iza na iza hihira.’ Nilaza koa ilay fitsarana fa tafiditra amin’ny zo haneho hevitra ny zo hangina, ary efa mari-panajana ny hoe mitsangana rehefa atao ny hiram-pirenena. Nasainy namerina an’ireo ankizy hianatra ireo tompon’andraikitry ny sekoly.

Hoy ihany Atoa Reddy: “Tsy manao hiram-pirenena izy ireo [ny Vavolombelon’i Jehovah] na aiza na aiza, na ny ‘Jana Gana Mana’ any Inde, na ny ‘God save the Queen’ any Angletera, na ny ‘The Star-Spangled Banner’ any Etazonia, sy ny sisa ... Tsy mety mihira izy ireo satria tena mino hoe tsy mamela azy hanao fombafomba hafa ankoatra ny mivavaka amin’i Jehovah Andriamaniny ny fivavahany.”

Manampy mba handaminana olana momba ny fahalalahana ara-pivavahana

Tena niavaka iny raharaha Bijoe Emmanuel Miady Amin’ny Fanjakan’i Kerala iny, satria nohamafisin’izy iny fa tsy tokony hoterena hiala amin’ny zavatra inoany ny olona, raha tsy eken’ny eritreriny izany. Eken’ny fitsarana fa mbola azo iadian-kevitra ny zo fototra ananan’ny olona, sady voafehin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka sy ny fitsipi-pitondran-tena ary ny fahasalamana. Nilaza koa anefa ilay fitsarana fa voafetra ihany ny azon’ny fanjakana atao, ka tsy tokony handrara befahatany ny zavatra ataon’ny olom-pireneny izy. Nilaza ilay didim-pitsarana hoe: “Mifanohitra amin’ny zo resahin’ny Andininy faha-19(1)(a) sy ny Andininy faha-25(1) [amin’ny Lalàm-panorenana any Inde] ny fanerena ny mpianatra hanao hiram-pirenena, nefa tsy eken’ny eritreriny izany.”

Miaro ny zon’ny antokon’olom-bitsy koa ilay didim-pitsarana. Nilaza koa mantsy ilay fitsarana hoe: “Tena manjaka ao amin’ny tany iray ny demokrasia raha misy antokon’olona vitsy an’isa mahatsapa hoe tena mitsinjo azy ireo ny Lalàm-panorenana.” Hoy Atoa Reddy: “Tsy midika ho inona ny fomba fijerintsika manokana sy ny fihetsitsika. Raha tena zava-dehibe amin’ilay olona ny zavatra inoany sady mifanaraka amin’ny eritreriny, dia miaro azy ny Andininy faha-25 [amin’ny Lalàm-panorenana].”

“Mampianatra antsika handefitra ny fomban-drazantsika. Mampirisika antsika handefitra ny filozofiantsika. Miezaka mandefitra ny lalàm-panorenantsika. Tsy tokony havelantsika ho lefy izany.”—Mpitsara Chinnappa Reddy

Ny vokatr’ilay didim-pitsarana eo amin’ny fiaraha-monina

Nivoaka tamin’ny gazety maro sy niteraka adihevitra be teo anivon’ny Parlemanta ilay raharaha Bijoe Emmanuel Miady Amin’ny Fanjakan’i Kerala. Ianarana any amin’ny sekoly fianarana lalàna io didim-pitsarana io rehefa mianatra momba ny lalàm-panorenana. Mbola resahin’ny gazety momba ny lalàna sy ny gazety tsotra hoe tena nalaza io raharaha io, sady manampy mba handaminana ny olana momba ny fahalalahana ara-pivavahana any Inde. Tena nandray anjara be iny didim-pitsarana iny mba hamaritana hoe hoatran’ny ahoana izany fahalalahana ara-pivavahana izany eo anivon’ny fiaraha-monina misy olona isan-karazany. Miaro ny zo haneho hevitra any Inde koa izy iny, raha misy mitady hanakantsakana an’izany.

Mandray soa ny rehetra

Ny fianakavian’i Emmanuel (aoriana, avy eo ankavia miankavanana) Binu, Bijoe, ary Bindu; (eo aloha) V. Emmanuel sy Lillykutty

Nesoin’ny olona sy noteren’ny manam-pahefana hivadika ary norahonana ho faty mihitsy aza ny fianakavian’i Emmanuel, tamin’izany fotoana izany. Tsy nanenina anefa ry zareo nifikitra tamin’ny zavatra ninoany. Efa manambady sy niteraka iray izao i Bindu, iray tamin’ireo ankizy. Hoy izy: “Nihaona tamin’ny mpisolovava iray izay aho. Gaga aho fa nianatra momba an’ilay raharaha mahakasika ahy izy tany amin’ny sekoly fianarana lalàna. Tena nankasitraka antsika Vavolombelon’i Jehovah izy noho isika niady mba hampiharana ny zon’olombelona.”

Hoy i V. Emmanuel: “Nihaona tamin’i K. Thomas aho, vao haingana. Mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony izy, ary efa misotro ronono. Nidera ahy izy rehefa fantany hoe izaho no dadan’ireo ankizy. Isaky ny mivory miaraka amin’ny mpahay lalàna koa, hono, izy ka mahazo anjara fitenenana, dia resahiny foana ny momba an’ilay raharaha mahakasika ny hiram-pirenena. Tsapany mantsy fa fandresena lehibe ho an’ny zon’olombelona izy iny.”

Efa ho 30 taona izao no nivoahan’ny didim-pitsarana tamin’ilay raharaha Bijoe Emmanuel Miady Amin’ny Fanjakan’i Kerala. Anisan’ny tena nanohana ny zo haneho hevitra any Inde izy iny. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah satria nitondra ny anjara birikiny, mba hahatonga ny olom-pirenena rehetra any Inde hanana ny zony.