Fotoana Niavaka Tany Inde
27 JANOARY 2014: Nohamafisin’ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona tao Karnataka fa nohitsakitsahin’ny polisy ny zon’ny Vavolombelona, ka tokony homena vola onitra izy ireo
MARTSA 2002: Nafindran’ny Vavolombelona any Bangalore ny biraon’izy ireo satria tiany hitarina
2002: Nihabetsaka ny herisetra ataon’ny vahoaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah
11 AOGOSITRA 1986: Nandray fanapahan-kevitra lehibe momba an’ilay raharaha Bijoe Emmanuel miady amin’ny Fanjakan’i Kerala ny Fitsarana Tampony tany Inde, ka nohamafisin’izy ireo fa manana zo haneho ny heviny ny Vavolombelona
7 MARTSA 1978: Nosoratan’ny Vavolombelona ho ara-panjakana ny Fikambanana Tilikambo Fiambenan’i Inde
26 JANOARY 1950: Nametraka lalam-panorenana vaovao i Inde rehefa lasa firenena mahaleo tena
9 JANOARY 1944: Natsahatry fitondrana ny fandrarana ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah
14 JONA 1941: Noraran’ny fitondrana ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah
1926: Nanorina birao tany Bombay ny Vavolombelona
1905: Nandamina fotoam-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah voalohandohany tany