Hijery ny anatiny

17 AOGOSITRA 2018
INDE

Fihotsahan’ny Tany Nahafaty Olona Tany Atsimoandrefan’i Inde

Fihotsahan’ny Tany Nahafaty Olona Tany Atsimoandrefan’i Inde

Olona 75 fara-fahakeliny no maty ary 25 teo ho eo ny tany nihotsaka vokatr’ilay oram-be nivatravatra tany Kerala, any Inde. Milaza ny sampana mpamantatra ny toetrandro any, fa izao vanim-potoana fahavaratra izao no nahatonga an’ilay oram-be. Io no anisan’ny oram-be mafy indrindra teo amin’ilay faritra hatramin’izay.

Tena mampalahelo fa nisy tamin’ireo rahalahy sy anabavintsika no naratra mafy na maty mihitsy. Nanao tatitra ny biraon’ny sampana tany Inde fa mpivady Vavolombelona 60 taona mahery sy mpianatra baiboly iray no maty vokatry ny fihotsahan’ny tany. Mpianatra baiboly roa hafa koa no naratra mafy ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly. Ankoatran’izay dia rahalahy iray 17 taona no maty an-drano rehefa niezaka hamonjy ny mpiara-monina taminy.

Natsangana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) mba hijery ny fahavoazana sy handamina ny fanampiana an’ireo tra-boina. Efitrano Fanjakana vitsivitsy àry no nampiasain’ireo rahalahy mba handaminana ny asa fanampiana. Asehon’ny tatitra voalohany natao fa trano 46 an’ireo rahalahintsika, fara-fahakeliny, no simba na rava tanteraka. Fianakaviana 85 be izao (mpitory 475) no nafindra vonjimaika tany an-tranon’ny mpiara-manompo na nalefa tany amin’ny havany. Milaza koa ilay tatitra fa dibo-drano ny Efitrano Fanjakana sasany. Mbola vonona foana ny KVRV amin’izay mety hitranga satria azo inoana hoe mbola hisy oram-be hoavy afaka andro vitsivitsy.

Nitsidika an’ireo rahalahy sy anabavy ny solontena avy amin’ny sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra teo an-toerana ary ny anti-panahy, mba hampionona sy hitondra fampaherezana avy ao amin’ny Soratra Masina.

Tsy manadino sy mivavaka ho an’ireo rehetra tra-boina vokatr’iny oram-be nandravarava iny isika. Manantena isika fa tsy hisy intsony ny loza araka ny natiora sy ny fijaliana aterak’izany.—Apokalypsy 21:3, 4.