Hijery ny anatiny

28 NOVAMBRA 2018
INDE

Namely An’i Inde ny Rivo-doza Gaja

Namely An’i Inde ny Rivo-doza Gaja

Namely an’i Tamil Nadu, any amin’ny faritra atsimon’i Inde, ny Rivo-doza Gaja, tamin’ny 16 Novambra 2018. Olona 46, fara fahakeliny, no maty ary tombanana ho 250000 ireo nafindra toerana. Trano maherin’ny 85000 no simba na rava tanteraka.

Tranon’ny rahalahy iray any Mannargudi, any Tamil Nadu, nianjeran’ny hazo.

Nanao tatitra ny biraon’ny sampan’i Inde hoe tsy nisy rahalahy sy anabavy maty na naratra. Simba kosa ny trano 38 an’ireo rahalahy sy ny Efitrano Fanjakana 2. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny sampana mba handamina ny fanampiana an’ireo mpitory tra-boina, anisan’izany ny fizarana sakafo sy rano.

Mivavaka isika mba hampiononin’i Jehovah amin’ny alalan’ny anti-panahy be fitiavana ireo rahalahy sy anabavintsika any Inde tratran’iny Rivo-doza Gaja iny.—1 Petera 5:2.