Hijery ny anatiny

3 AOGOSITRA 2017
INDE

Tondra-drano Tany Inde

Tondra-drano Tany Inde

Be loatra ny orana tany amin’ny faritra sasany tany Inde, ka nahafaty olona mihitsy ny oram-baratra. Milaza ny manam-pahaizana fa tao anatin’ny zato taona, dia tamin’io no nahitana rotsakorana betsaka indrindra tany Inde. Faritra maro no niharam-pahavoazana vokatry ny tondra-drano sy ny tany nihotsaka. Olona 700 be izao no maty ary an-tapitrisany no nafindra toerana.

Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra mafy na maty aloha araka ny tatitra voaray hatramin’ny 31 Jolay 2017. Tranona fianakaviana Vavolombelona telo anefa, fara fahakeliny, no dibo-drano saingy tsy tena simba be. Manampy ny mpiara-mivavaka aminy tra-boina ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Inde.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Inde: Tobias Dias, +91-9845476425