Hijery ny anatiny

INDE

Topy Maso An’i Inde

Topy Maso An’i Inde

Efa nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Inde nanomboka tamin’ny 1905. Nanangana ny biraony tany Bombay (Mumbai ankehitriny) izy ireo tamin’ny 1926, ary tamin’ny 1978 izy ireo no nekena ho ara-dalàna. Mandray soa amin’ny lalàm-panorenana any Inde ny Vavolombelon’i Jehovah satria ao anatin’izy io ny hoe manan-jo hanaraka ny fivavahany sy hiresaka momba an’izany amin’ny hafa ny olona. Naharesy teny amin’ny Fitsarana Tampon’i Inde izy ireo tamin’ilay raharaha nalaza Bijoe Emmanuel miady amin’ny Fanjakan’i Kerala. Anisan’ny nahatonga ny mponin’i Inde hanana fahalalahana bebe kokoa izany. Azo lazaina hoe tsy dia voasakantsakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Inde rehefa manaraka ny fivavahany. Itambaran’ny vahoaka romotra ihany anefa izy ireo any amin’ny toerana sasany, na enjehin’ny olona tsy tia Vavolombelon’i Jehovah.

Navahan’ny Fitsarana Tampony, tamin’ny 1977, ny hoe miresaka momba ny fivavahana amin’ny hafa sy ny hoe mitarika olona hiova fivavahana. Tsy misy manan-jo hitarika olona hiova fivavahana, hono, ary tsy diso izay faritany manao lalàna mandrara ny olona tsy hanao an’izany. Izay nolazain’ilay Fitsarana, matetika, no tenenin’ny vahoaka romotra manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa eo anatrehan’ny polisy. Lazainy fa tratrany nanery olona hanaraka ny fivavahany ny Vavolombelona. Zavatra hafa kosa no ampiasain’ny mpanenjika, any amin’ny fanjakana tsy misy an’io lalàna io. Ampangainy ho manevateva an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah ka lalàna efa tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany no aolany mba hanakanana ny asa fitoriana ataon’izy ireo. Efa in-150 mahery àry ny Vavolombelon’i Jehovah no nitambaran’ny vahoaka romotra, nanomboka tamin’ny 2002. Manampy trotraka koa ny manam-pahefana satria tsy miaro tsara an’ireo iharan’ny herisetra izy ireo ary avelany amin’izao ireo mpanakorontana.

Miezaka mifampiresaka amin’ny fitondram-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Inde, ary mampakatra raharaha any amin’ny fitsarana mba hiarovana ny zony hanaraka ny fivavahany an-kalalahana. Izao no nolazain’ny Fitsarana Tampony any Inde, tamin’ilay raharaha Bijoe: “Mampianatra antsika handefitra ny fomban-drazantsika. Mampirisika antsika handefitra ny filozofiantsika. Miezaka mandefitra ny lalàm-panorenantsika. Tsy tokony havelantsika ho lefy izany.” Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa hanaraka an’izany ny manam-pahefana sy ny olon-kafa any Inde. Manantena koa izy ireo hoe hisy vokany ihany ny ezaka ataony ka tsy hisy vahoaka romotra hampijaly azy ireo intsony, ary mba tsy hisy fivavahana henjehina intsony.