Hijery ny anatiny

Ry Tunbonat mianakavy, miaraka amin’izy telo mianadahy noroahina avy tany an-tsekoly, izay 7 taona sy 10 taona ary 12 taona

30 OKTOBRA 2019
INDONEZIA

Miaro ny Zon’ny Mpianatra Hanana Fahalalahana Ara-pivavahana ny Fitsarana any Indonezia

Miaro ny Zon’ny Mpianatra Hanana Fahalalahana Ara-pivavahana ny Fitsarana any Indonezia

Namoaka didy nanome rariny ankizy telo ny fitsarana iray tao Samarinda, tamin’ny 8 Aogositra 2019. Noroahin’ny sekoly mantsy izy ireo satria tsy nety nanangan-tsaina sy tsy nety nanao hiram-pirenena. Nofoanan’ilay didim-pitsarana ny fandroahana azy ireo ary naverina nianatra izy telo. Noporofoin’iny didy iny hoe manan-jo ara-dalàna hampianatra ny fivavahany amin’ny zanany ny ray aman-dreny Vavolombelona any Indonezia, ary tsy tokony hosazina ny ankizy manaraka ny zavatra inoan’ny ray aman-dreniny.

Tamin’ny Desambra 2018 no noroahin’ny sekoly i Yonatan, 7 taona, sy Yosua, 10 taona, ary Maria Tunbonat, 12 taona. Niaiky ilay fitsarana hoe tsy nandika ny Lalàm-panorenana na ny lalàna hafa izy telo mianadahy rehefa tsy nandray anjara tamin’ny fombafomba fanehoana fitiavan-tanindrazana, ary tsy nanazimbazimba ny fomba amam-panao na ny zavatra hafa mifandray amin’izany.

Faly isika satria voahaja ny zavatra inoan’ireo ankizy ireo ao amin’ny Baiboly sady afaka miverina mianatra izy ireo, noho ilay didim-pitsarana. Enga anie ka hahasoa ny ankizy Vavolombelona any Indonezia, izay miatrika olana hoatr’izany koa, iny didim-pitsarana iny!