4 DESAMBRA 2020
INDONEZIA
Navoaka Tamin’ny Fiteny Efatra any Indonezia ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Navoaka tamin’ny fiteny efatra any Indonezia Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, tamin’ny 28 Novambra 2020. Ireto avy ireo fiteny ireo: Batak karo, batak toba, javaney, ary nias. Navoaka tamin’ny endrika elektronika sy vita pirinty izy ireo. Ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namoaka an’ireo Baiboly ireo. Niavaka ilay fandaharana satria efa nalaina video mialoha, dia afaka niara-nijery an’ilay izy daholo ny fiangonana rehetra tany amin’ireo nosy be dia be tany Indonezia. Nisy 41 265 teo ho eo ny mpanatrika. Nilaza koa ny Rahalahy Jackson nandritra an’ilay fandaharana fa havoaka tsy ho ela amin’ny endrika elektronika Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny sundanais.
Vita soa aman-tsara ireo Baiboly ireo noho ny ezaka mafy nataon’ny mpandika teny, nandritra ny telo taona sy tapany mahery. Olona 100 tapitrisa mahery, fara fahakeliny, no miteny ny iray amin’ireo fiteny efatra namoahana an’ireo Baiboly ireo. Ankoatra izay, dia mpitory 2 600 mahery no mampiasa an’ireo fiteny ireo rehefa mivory sy manompo.
Matetika no tsy azon’ny mpamaky ny teny ao amin’ny Baiboly misy any amin-dry zareo. Hoy ny mpandika teny iray: “Rehefa nahazo an’ity Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo sady maoderina ity aho, dia vao mainka resy lahatra hoe tena tian’i Jehovah Andriamanitra haheno ny Teniny amin’ny fiteny mora azo sy manohina ny fo daholo ny olon-drehetra.”
Hoy i Daniel Purnomo, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Indonezia: “Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika izao, indrindra hatramin’ny nisian’ilay valanaretina COVID-19. Dia tena mankasitraka an’ilay Baiboly ny rahalahy sy anabavy mampiasa an’ireo fiteny ireo, satria fanomezana tonga ara-potoana ilay izy.”
Faly isika fa nataon’i Jehovah lasa be dia be mihitsy amin’izao ny olona afaka mahazo an’io fanomezana sarobidy io, izany hoe ny Teniny. Manantena isika fa mbola ho betsaka kokoa amin’ny olona mampiasa an’ireo fiteny ireo no handray soa amin’ny zavatra ampianaran’ny Baiboly.—Jakoba 1:17.