Hijery ny anatiny

12 DESAMBRA 2016
INDONEZIA

Horohoron-tany Nahafaty Olona Be dia Be Tany Indonezia

Horohoron-tany Nahafaty Olona Be dia Be Tany Indonezia

Nisy horohoron-tany nirefy 6,5 amin’ny maridrefy Richter tany amin’ny Nosy Sumatra any Indonezia, tamin’ny alarobia 7 Desambra vao maraina. Olona 100 mahery no maty, ary an-jatony no naratra.

Nilaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Jakarta fa rehefa natao ny fanadihadiana, dia tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah namoy ny ainy na naratra tamin’ilay horohoron-tany. Tsy nisy simba koa ny tranon’izy ireo, na ny toeram-pivavahany.

Manao ezaka manokana ny Vavolombelona any mba hanampiana sy hampaherezana an’izay mpiara-monina aminy tra-boina.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1-845-524-3000

Indonezia: Tom Van Leemputten, +62-813-4527-1974