Hijery ny anatiny

1 MEY 2018
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hanomboka Amin’ny Volana Mey ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2018 Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Hanomboka Amin’ny Volana Mey ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2018 Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Manao fivoriamben’ny vondrom-paritra ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Hanomboka amin’ny zoma 18 Mey 2018 ny amin’ity taona ity, ary mitondra ny foto-kevitra hoe “Manàna Herim-po”! Hanao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba hanasana ny olona hanatrika azy io. Tsy misy vidim-pidirana amin’ilay fivoriambe ary hatao any amin’ny tany 180 ilay izy.

Haharitra telo andro ilay fivoriambe ary hisy famelabelarana 54 ahitana lahateny, fanadinadinana, tantara noraisim-peo, ary video fohy. Hojerena ny alahady koa ilay filma hoe Mampianatra Antsika ho Be Herim-po sy Hamindra Fo ny Tantaran’i Jona. Hanomboka amin’ny mozika aseho amin’ny video, izay nomanina manokana ho amin’ilay fivoriambe, ny fandaharana isaky ny maraina sy ny tolakandro.

Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Rehefa mijery vaovao ianao amin’izao, dia mahita fa vao mainka ny olona lasa be fanahiana sy matahotra raha oharina amin’ny taloha. Mila herim-po ny fiatrehana an’izany. Afaka manatrika an’io fivoriambe io daholo ny rehetra satria hisy torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly any.”

Hita ao amin’ny tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah, jw.org, ny daty sy ny toerana hanaovana ny fivoriambe tsirairay.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000