3 JOLAY 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Tetikasan’ny Foibe any Ramapo
Afaka Miroso ny Tetikasa Fanorenana any Ramapo Satria Nahazo Fahazoan-dalana Tena Ilaina
Nahazo fahazoan-dalana tena ilaina ny tetikasa fanorenana any Ramapo, any New York, tamin’ny 28 Jona 2023. Samy nanaiky ny planin’ilay tetikasa fanorenana mantsy ny tompon’andraikitry ny fanajariana ny tanànan’i Ramapo. Marina fa mbola betsaka ny pitsipitsiny mila alamina. Efa afaka miroso anefa izao ilay tetikasa noho io fahazoan-dalana io.
Nahagaga fa na ny mponina any Ramapo na ny manam-pahefana dia tsy nisy nanohitra mihitsy na nanisy olana momba an’ilay tetikasa, nandritra ny fivoriana nataon’ireo tompon’andraikitra ireo. Hoy ny Rahalahy Keith Cady, anisan’ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana (CPC): “Amam-bolana izahay no niomana hampiseho an’ilay planina tamin’ny tompon’andraikitra sy hanaraka ny fepetra rehetra takina amin’ilay tetikasa. Nataonay mihitsy izay hahatonga an-dry zareo tsy ho sahirana rehefa hanapa-kevitra momba an’ilay planina narosonay.” Fantatr’ireo tompon’andraikitra ireo hoe niasa mafy izahay mba hanarahana ny fepetra rehetra, dia tsy nanisy olana ry zareo fa samy nanaiky an’izay zavatra rehetra narosonay. Nitantara ny Rahalahy David Soto, anisan’ny CPC, hoe: “Adiny iray latsaka dia vita daholo ny resaka sy ny fanapahan-kevitra rehetra! Tena misaotra ny tompon’andraikitry ny fanajariana ny tanàna izahay satria sady miasa mafy ry zareo no mazoto miasa, no sady mbola azo iaraha-miasa tsara koa. Efa tsy andrinay indray ny hiara-miasa amin-dry zareo amin’ny manaraka.”
Be dia be ny asa goavana azo atomboka momba an’ilay tetikasa, noho io fahazoan-dalana io. Nanazava ny Rahalahy Cady hoe: “Vao afaka daholo ireo hazo nianjera ao amin’ilay toerana hanorenana ireo, dia afaka manomboka miasa ny orinasa nokaramaina hanao asa isan-karazany ao. Efa ho be dia be lavitra amin’izay koa ny mpiasa an-tsitrapo ho afaka hiasa ao, amin’ny faramparan’ny taona ho avy. Tena faly be izahay rehetra nanatrika an’ilay fivoriana rehefa nahita hoe nanome alalana daholo ny tompon’andraikitra hoe azo atomboka tsy ho ela ny asa.”
Tena misaotra an’i Jehovah isika rehetra anisan’ny fandaminany, noho io fahazoan-dalana io. Mivavaka isika mba hotahiny foana izay rehetra miasa amin’ilay tetikasa any Ramapo. ‘Mifampahery mba hanao an’ilay asa’ mantsy ry zareo.—Nehemia 2:18.