31 MARTSA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Ampiana Hivory sy Hitory ny Be Taona na Miparitaka aza ny Aretina
Manaraka tsara ny toromariky ny mpiasan’ny fahasalamana ny rahalahy sy anabavintsika be taona ka mijanona any an-tranony. Ny be taona mantsy no tena atahorana ho mora voan’ny aretina coronavirus. Tsy irery anefa izy ireo ary be atao foana. Mampiasa ny teknolojia izy ireo mba handraisana anjara amin’ny fivoriana sy ny fanompoana.
Efa talohan’ny niparitahan’ilay aretina no tsy afaka nivoaka ny tranony ny anabavy iray 94 taona any Roma, Italia, izay vita batisa tamin’ny 1952. Efa elaela izy no nijery ny fivoriana tamin’ny alalan’ny JW Stream, fa tsy mba mihaona amin’ny mpiara-mivory aminy. Nanapa-kevitra anefa ny anti-panahy hoe hatao vidéoconférence ny fivorian’ny fiangonan’izy ireo. Afaka mahita ny mpiara-mivory aminy rehetra àry izao ilay anabavy ary maheno ny fivorian’ny fiangonana misy azy.
Mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra any Spanish Fork, any Etazonia, ny anabavy iray marenina antsoina hoe Stephanie Aitken. Tsy azo tsidihina intsony izao io toerana io. Nanampy an’ilay anabavy hampiditra programa fanaovana vidéoconférence ao amin’ny tablette-ny ny anti-panahy iray sy ny vadiny, ka nanao tenin’ny tanana taminy teo amin’ny varavaram-pitaratra. Rehefa tafiditra ilay programa, dia faly be ilay anabavy ka nofihininy ny tablette-ny. Faly be izy hoe mbola afaka mifandray amin’ny fiangonany ihany.
Miova be ny fiainana vokatry ny fiparitahan’ilay aretina. Mampiasa tsara ny teknolojia àry ny rahalahy sy anabavy eran-tany, anisan’izany ny be taona, mba hiatrehana an’izany. Mampahatsiahy antsika an’ity fampanantenan’i Jehovah ho an’ny vahoakany ity izany: “Hinono amin’ny firenena ianao.” (Isaia 60:16) Fantatsika hoe afaka ny ho tonga izay rehetra ilain’ny vahoakany eto an-tany izy rehefa ao anatin’ny olana izy ireo.
Mandray anjara amin’ny fivoriana ny mpivady iray any Soeda (ambony havia) sy ny rahalahy iray any Frantsa (ambany havia) ary ny mpivady iray any Korea Atsimo (havanana)
Mitory an-telefaonina ny mpivady iray any Norvezy
Mandray soa amin’ny fitsidihan’ny mpiandry ny mpivady iray any Italia