Hijery ny anatiny

20 JANOARY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Ampiasao Tsara Ilay Boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ao Amin’ny JW Library

Ampiasao Tsara Ilay Boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ao Amin’ny JW Library

Nilaza ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny Janoary 2021 fa nisy boky sy bokikely navoaka. Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! no lohateniny. Natao hianarana Baiboly izy ireo, ary nasiana fanontaniana hahafahan’ilay mpianatra mamoaka ny heviny. Lasa nandaitra kokoa ny fampianarantsika rehefa nampiasa azy ireo isika.

Nohatsaraina ilay programa JW Library, amin’izay hahafinaritra kokoa amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra ny hampiasa an’ilay boky sy bokikely amin’ny endrika elektronika. Makà fotoana hijerena an’ireo zava-baovao ireo mba ho zatra an’ilay izy.

  • Misy hevitra iray tianao haseho amin’ny mpianatrao ve ao amin’ny lesona anankiray? Tsindrio eo amin’ilay fehintsoratra tianao haseho azy, dia hisy sary maromaro hipoitra. Tsindrio ny sarin’ilay hoe Hizara mba hizarana ny rohin’io fehintsoratra io.

  • Te handefa ny raki-peon’ilay fehintsoratra ve ianao mba hohenoinao sy ilay mpianatra? a Tsindrio eo amin’ilay fehintsoratra tianao hohenoina, dia hisy sary maromaro hipoitra. Tsindrio ny sarin’ilay hoe Handefa, dia hanomboka eo amin’io fehintsoratra io ilay raki-peo.

  • Mety hoe mampiasa an’ilay boky vita pirinty ilay mpianatra, fa ianao indray mampiasa an’ilay endrika elektronika. Tianao ve ny hahita hoe hoatran’ny ahoana ny paozin’ilay lesona ianaranareo ao amin’ny boky vita pirinty? Tsindrio ilay teboka telo eny ambony ankavanana, dia tsindrio avy eo ilay hoe Endrika Sary (Mode Image). Raha tianao haverina ho lasa endrika soratra indray ilay izy, dia tsindrio indray ilay teboka telo eny ambony ankavanana dia avy eo ilay hoe Endrika Soratra (Mode Texte).

  • Te hampirisika ilay mpianatra mba handray an-tsoratra ny fandrosoana vitany ve ianao? Misy efajoro azony ampidirana ny daty nahavitany ny lesona sy ny tanjona tiany hotratrarina ny lesona tsirairay. Azony marihina eo amin’ilay hoe “Mariho Izay Voavakinao” koa ny toko izay voavakiny ao amin’ny Baiboly.

a Mbola tsy misy raki-peo amin’ny teny malagasy io boky io amin’izao.