Hijery ny anatiny

Sary mampiseho ny Rivo-doza Beryl any amin’ny Saikinosin’i Yucatán, any Meksika, tamin’ny 5 Jolay 2024

12 JOLAY 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

An-tapitrisany ny Olona Tratran’ilay Rivo-doza Beryl

An-tapitrisany ny Olona Tratran’ilay Rivo-doza Beryl

Namely ny faritra atsimon’ny nosy Martinika any Antilles ilay rivo-doza mahery be antsoina hoe Beryl, tamin’ny 30 Jona 2024. Nihanahery ilay rivo-doza ny ampitson’iny ka nandravarava an’i Îles du Vent, anisan’izany i Barbade sy Grenady ary Saint-Vincent sy Grenadines. Vao mainka nihanahery ilay izy ny ampitson’iny, dia namely an’i Venezoelà. Namely ny morontsiraka atsimon’i Jamaika ilay izy avy eo. Nandravarava tao amin’ny Saikinosin’i Yucatán any Meksika ilay rivo-doza, tamin’ny 5 Jolay, talohan’ny nandalovany tao amin’ny faritra atsimon’i Etazonia.

Nitondra oram-be sy rivo-mahery nahatratra 270 kilaometatra isan’ora ilay rivo-doza, dia nanimba trano sy toeram-piasana ary foto-drafitrasa be dia be. Olona an-tapitrisany mipetraka any amin’ireo toerana nandalovan’ilay izy no tsy manana jiro sy rano ary zavatra ilainy sasany, hatramin’izao. Misy 30 mahery ny olona maty, araka ny tatitra voaray.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

Martinika (Antilles)

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Mpitory 6 no nafindra toerana

  • Trano 1 no potika

  • Trano 1 no simba be

  • Trano 1 no nisy simba kely

  • Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba

Efitrano Fanjakana simba any Îles du Vent

Îles du Vent

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty

  • Mpitory 7 no naratra

  • Mpitory 67 no nafindra toerana

  • Trano 39 no simba be

  • Trano 31 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 1 no rava

  • Efitrano Fanjakana 1 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 4 no nisy simba kely

Venezoelà

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Mpitory 30 no nafindra toerana

  • Trano 12 no simba be

  • Trano 9 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 1 no simba be

Jamaika

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Mpitory 18 no nafindra toerana

  • Trano 24 no simba be

  • Trano 75 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 19 no nisy simba kely

Meksika

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Mpitory 320 no nafindra toerana, fa efa nody anefa ry zareo izao

  • Trano 11 no nisy simba kely

  • Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba

Etazonia

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty

  • Mpitory 6 no naratra

  • Mpitory 242 no nafindra toerana

  • Trano 4 no potika

  • Trano 33 no simba be

  • Trano 471 no simba kely

  • Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba

Fanampiana tra-boina

Nanampy sy nanome fampaherezana ara-baiboly tany amin’ireo toerana tratran’ilay loza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky enina no miandraikitra an’ireo fanampiana.

Mivavaka isika mba hampionona foana an’ireo izay matoky azy mandritra an’izao fotoan-tsarotra izao i Jehovah.​—2 Korintianina 1:3, 4.