Hijery ny anatiny

30 DESAMBRA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Azo Ovana Izao ny Fisehon’ny Pejy ao Amin’ny JW.ORG

Azo Ovana Izao ny Fisehon’ny Pejy ao Amin’ny JW.ORG

Misy zava-baovao efa nandrasan’ny maro amintsika ao amin’ny jw.org. Lasa afaka misafidy ianao izao hoe hataonao mazava sa maizina ny pejy ao amin’ny jw.org.

Raha mifidy an’ilay hoe maizina ianao, dia ho mainty ny lokon’ilay pejy fa ho fotsy na mazava kosa ny lokon’ny soratra sy ny sary. Tian’ny olona sasany izany, amin’izay mba tsy mazava loatra ny efijery. Mety tsy dia hamizana maso koa ilay izy, indrindra rehefa amin’ny alina na rehefa any amin’ny toerana tsy dia misy hazavana. Mety hanampy ny olona tsy mahita tsara na tsy mahazaka hazavana be koa ilay izy.

Raha tianao ho hita hoe inona avy ny safidy misy, dia jereo ny farany ambany amin’ilay pejy, dia tsindrio ilay hoe “Fisehony.” Ilay hoe “Fitaovana” fidina raha tianao hifanaraka amin’ny fisehon’ny pejy ao amin’ny fitaovana elektronika ampiasainao ny fisehon’ny pejy rehefa mampiasa jw.org ianao. Afaka mifidy an’ilay hoe “Mazava” na “Maizina” ianao, dia iny foana no ho lasa fisehon’izay pejy jerenao ao amin’ny jw.org.

Mbola tsy mipoitra ao amin’ny programa JW Library aloha izao io zava-baovao io, fa hisy azy io ao amin’ny hoavy. Misaotra an’i Jehovah isika hoe mihatsara foana ny fitaovana elektronika ampiasaintsika mba hahazoana sakafo ara-panahy be dia be.