Hijery ny anatiny

5 AOGOSITRA 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Baiboly Amin’ny Fiteny Folo no Navoaka Maneran-tany, Tamin’ny Jolay 2024

Baiboly Amin’ny Fiteny Folo no Navoaka Maneran-tany, Tamin’ny Jolay 2024

Tenin’ny Tanana any Malawi

Navoakan’ny Rahalahy Colin Carson, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Malawi, Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana any Malawi, tamin’ny 5 Jolay 2024. Nampandrenesina tamin’ny andro voalohany tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ tany Lilongwe any Malawi izany. Nisy 331 ny mpanatrika tamin’izay. Azo nalaina avy hatrany tamin’ny endrika elektronika tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library Sign Language ilay Baiboly.

Sambany tamin’io no voadika amin’ny Tenin’ny Tanana any Malawi ny Soratra Grika Kristianina manontolo. Misy 400 000 mahery no mampiasa an’io fiteny io. Misy rahalahy sy anabavy 600 mahery izao manompo ao amin’ny fiangonana tenin’ny tanana 16 sy ao amin’ny antoko-mpitory 8 any Malawi.

Icibemba

Navoakan’ny Rahalahy Gage Fleegle, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny icibemba, tamin’ny 19 Jolay 2024. Nampandrenesina tamin’ny andro voalohany tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ tao amin’ny kianja Levy Mwanawasa Stadium any Ndola, Zambia, izany. Nisy 23 336 no nanatrika mivantana ary 5 920 no nanaraka tamin’ny vidéoconférence, tany amin’ny toerana dimy samy hafa nanaovana an’ilay fivoriambe. Nahazo an’ilay Baiboly vita pirinty ny mpanatrika rehetra tany amin’ireo toerana enina nanaovana an’ilay izy. Azo nalaina avy hatrany tamin’ny endrika elektronika ilay Baiboly sy ny raki-peon’ny bokin’i Rota, 1 Jaona, 2 Jaona, ary ny 3 Jaona.

Tamin’ny 2008 no navoaka voalohany tamin’ny teny icibemba Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tombanana ho efatra tapitrisa eo ho eo ny olona miteny icibemba any Zambia, anisan’izany ny rahalahy sy anabavy 131 351 manompo ao amin’ny fiangonana 1 856 sy ao amin’ny antoko-mpitory 8 ao amin’ilay firenena.

Quiché

Navoakan’ny Rahalahy José Torres, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio amin’ny teny quiché, tamin’ny 19 Jolay 2024. Nampandrenesina nandritra an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2024 hoe ‘Torio ny Vaovao Tsara!’ tany San Lucas Sacatepéquez, Goatemalà, izany. Nahazo an’ilay Baiboly vita pirinty daholo ny mpanatrika 405. Azo nalaina avy hatrany tamin’ny endrika elektronika tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library koa ilay izy.

Tombanana ho iray tapitrisa mahery ny olona miteny quiché, ary mipetraka any Goatemalà ny ankamaroan’izy ireo. Tany no niorina voalohany ny fiangonana miteny quiché, tamin’ny 2010. Misy rahalahy sy anabavy 387 izao manompo ao amin’ny fiangonana 16 manerana an’ilay firenena.

Chuabo, makua-meetto, makua-chirima, nsenga any Mozambika, phimbi, tewe, tshwa

Nisy fivoriana manokana natao tao amin’ny kianja Estádio Nacional do Zimpeto any Maputo, Mozambika, tamin’ny 28 Jolay 2024. Nisy 26 025 no nanatrika mivantana ary 64 570 no nanaraka tamin’ny vidéoconférence, tany amin’ny toerana 16.

Namoaka Baiboly amin’ny fiteny maromaro ny Rahalahy Fleegle nandritra an’ilay fivoriana, ary afaka nahazo Baiboly vita pirinty sy amin’ny endrika elektronika ny mpanatrika. Navoakany amin’ny fiteny makua-meetto sy makua-chirima ary nsenga any Mozambika Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio. Navoakany amin’ny fiteny chuabo sy phimbi ary tewe koa Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary tamin’ny fiteny tshwa Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo.

Misy amin’ny fiteny 300 àry izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy.