Hijery ny anatiny

19 FEBROARY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Baiboly Voalohany Amin’ny Tenin’ny Tanana

Baiboly Voalohany Amin’ny Tenin’ny Tanana

Navoakan’ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ny boky nadika farany amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny tenin’ny tanana amerikanina (ASL), tamin’ny 15 Febroary 2020. Io no Baiboly manontolo voalohany amin’ny tenin’ny tanana. Fitokanana ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana (BFM) ho an’ny ASL, any Lauderdale, any Etazonia, tamin’izay. Tamin’io no nanaovana an’ilay fampandrenesana miavaka. Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any West Palm Beach, any Floride, ilay fandaharana.

Nisy 2 500 mahery no nanatrika ny fandaharana. Nisy 15 635 kosa no nanaraka mivantana an’ilay izy tany amin’ny Efitrano Fanjakana, tany Belize, Etazonia, Haïti, Kanada, Repoblika Dominikanina, ary Trinité sy Tobago. Nahatratra 18 000 mahery àry ny mpanatrika rehetra.

Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, manadinadina rahalahy mandritra ny fandaharana

Nanao fampandrenesana ny Rahalahy Jackson taorian’ilay lahateny fitokanana hoe mivoaka ny boky farany amin’ny Baiboly ASL. Rehefa akaiky hifarana ny anjarany dia nilaza izy hoe: “Misy vaovao ity! Vaovao lehibe ilay izy. ... Vita tanteraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao satria efa mivoaka ny bokin’i Joba. Ny Vavolombelon’i Jehovah irery no fikambanana na antokon’olona namoaka ny Baiboly manontolo amin’ny ASL. Azo inoana hoe io no Baiboly manontolo voalohany amin’ny tenin’ny tanana eran’izao tontolo izao [sy] eo amin’ny tantaran’ny olombelona.”

Naharitra 15 taona ny fandikana ny Baiboly manontolo ho amin’ny ASL raha atambatra, ka ny bokin’i Joba no navoaka farany. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 2004, ny hamoahana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny ASL. Nivoaka ny bokin’i Matio, roa taona taorian’izay, ary navoaka tsikelikely ny boky hafa anisan’ny Soratra Grika, hatramin’ny 2010. Naharitra folo taona kosa ny fandikana ny Soratra Hebreo.

Tena nanohina ny fon’ny marenina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny ASL. Hoy i Isias Eaton, mpitory nanatrika an’ilay fandaharana: “Tsy tanako mihitsy ny ranomasoko tamin’izaho nijery ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao voalohany.” Hoy koa izy: “Tsy nanohina ny foko mihitsy ny Baiboly amin’ny teny anglisy, fa latsaka ny ranomasoko vao nahita ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny tenin’ny tanana aho.”

Misy vokany eo amin’ny mpitory maro any amin’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana ny Baiboly amin’ny fiteniny. Hoy, ohatra, i David Gonzalez, mpandika teny ASL any amin’ilay BFM: “Tena nanampy ahy hahatakatra tsara ny fahamarinana ilay izy dia lasa sahy koa aho rehefa mitory. Tsy natoky tena aho taloha, tamin’ny mbola tsy nisy Baiboly ASL, dia nieritreritra foana hoe enga anie ka tsy hanontany zavatra sarotra be ilay olona itoriana. Izao anefa aho vonona, efa matoky tena tsara, satria efa misy amin’ny ASL ny zava-drehetra.”

Hoy i Nicholas Ahladis, ao amin’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny, any Warwick, New York: “Modely ho an’ny tenin’ny tanana hafa iny tetikasa fandikana ny Baiboly ASL iny. Efa misy amin’ny tenin’ny tanana 17 izao ny ampahany amin’ny Baiboly, ary mbola ho avy ny an’ny tenin’ny tanana hafa.”

Matoky isika hoe hanampy olona maro ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny ASL. Manohina ny fon’ny olona mantsy ny Tenin’Andriamanitra rehefa amin’ny fiteniny.—Asan’ny Apostoly 2:6.