1 JONA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Efa Azo Atao Indray Izao ny Karazana Fitoriana Ampahibemaso
Nilaza tamin’ny Komitin’ny Sampana rehetra ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 31 Mey 2022, fa azo atao indray izao ny karazany rehetra amin’ny fitoriana ampahibemaso, afa-tsy ny fitoriana isan-trano ihany. Samy handinika ny toe-javatra sy ny fepetra apetraky ny manam-pahefana any amin’ny tany misy azy ny Komitin’ny Sampana, ary hanome toromarika tsy ho ela ho an’ny fiangonana. (Romanina 13:1) Faly isika satria mitombo indray izao ny fomba azontsika iresahana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona!—Matio 28:19, 20.