Hijery ny anatiny

7 JONA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Efa Azo Tsidihina Indray Izao ny Betela Maneran-tany

Efa Azo Tsidihina Indray Izao ny Betela Maneran-tany

Efa telo taona mahery izay no tsy azo notsidihina ny Betela satria niparitaka ny valanaretina COVID-19. Efa azo tsidihina indray anefa izao ny Betela maro maneran-tany, nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Tena niavaka io andro io, na ho an’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany, na ho an’ireo olona an’arivony tonga nitsidika Betela.

Mpitondra mpitsidika miarahaba tonga soa an’izay tonga hitsidika ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, any New York, any Etazonia

Notsenain’ny Betelita tamin’ny soratra ngezabe sy hira ary tsikitsiky ny mpitsidika. Nofihinin’ny Betelita koa ny mpitsidika mba hiarahabana azy ireo tonga soa. Nandritra an’ilay valanaretina i Ellis Bott no nanomboka niasa ao amin’ny foibe any Warwick, any New York. Niteny izy hoe: “Tena nahavariana ny nahita Betelita nilahatra teo ivelan’ny efitra fandraisana sady nitazona soratra ngezabe! Tomanim-pifaliana re izany! Nampahatsiahy ahy ilay izy hoe tena miavaka ny Betela.” Faly be koa i Alexis Alexander, mpiasa an-tsitrapo kilasimody ao amin’ny Betela, satria afaka niarahaba tonga soa ny mpitsidika koa izy. Hoy izy: “Faly be aho satria hitako tamin’iny hoe tena tia an’i Jehovah sy ny tranony ny mpiara-manompo.”

Mi-yeon Jo sy Yoon, zanany lahy valo taona, mitsidika ny Betelan’i Korea

Tena faly i Mi-yeon Jo satria vao sambany izy no hitondra an’i Yoon, zanany lahy valo taona, hitsidika ny biraon’ny sampan’i Korea Atsimo. Efa ela no niandrasan’izy mianaka an’ilay izy! Faly loatra i Yoon hoe handeha hitsidika Betela dia tsy nahita tory mihitsy izy ny alina talohan’iny. Hoy i Mi-yeon: “Vao nifoha izahay dia nihaino an’ilay hiran’i Kaleba sy Sofia mitsidika Betela iny. Nalefanay tao anaty fiara mihitsy aza ilay izy teny an-dalana ho any amin’ny Betela.” Tena nahafinaritra be an’i Yoon ilay fitsidihana. Hoy izy hoe: “Ampiana biby sisa ao amin’ny Betela dia paradisa.”

Noah Johnsen sy ny ray aman-dreniny mitsidika ny sampan’i Etazonia any Wallkill, any New York

Efa ela i Noah Johnsen, tovolahy any Alberta, any Kanada, no te hitsidika ny Betelan’i New York, any Etazonia. Marary ny hazondamosiny, dia tsy afaka mandeha raoplanina izy. Nentin’ny ray aman-dreniny tamin’ny fiara nankany amin’ny sampan’i Etazonia any Walkill, any New York, àry izy. Nandeha 4 100 kilaometatra teo ho eo ry zareo vao tonga tany. Hoy i Noah rehefa mieritreritra momba an’ilay fitsidihana: “Ahoana re no ilazalazako an’iny fitsidihana iny e? Fitiavana angamba. Tsapako tamin’iny ny fitiavan’i Jehovah sy ny fitiavan’ny mpiara-manompo.”

Fyodor Zhitnikov sy Yulita vadiny mijery fampirantiana ao amin’ny tranombakoka any amin’ny sampan’i Kazakhstan

Faly be i Fyodor Zhitnikov sy Yulita vadiny, rehefa nitsidika ny Betelan’i Kazakhstan. Efa 76 taona i Fyodor. Misy tranombakoka ao amin’io sampana io, dia anisan’ny aseho ao amin’ilay izy ny tantaran’ny rahalahy sy anabavy niaritra nandritra ny am-polony taona. Tena tian’i Fyodor ilay izy satria be dia be tamin’ireo rahalahy sy anabavy ireo no efa nanompo an’i Jehovah niaraka taminy. Tena faly i Fyodor hoe niasa mafy ireo rahalahy mba hanomanana an’io fampirantiana io. Hoy izy: “Tena zava-dehibe amin’ny rahalahintsika ny zavatra rehetra efa nataontsika mba hanompoana an’i Jehovah, dia tian-dry zareo hotadidiana foana. Dia fantatsika hoe hoatr’izany koa i Jehovah. Tadidiny daholo ny zava-drehetra dia sarobidy aminy ny zavatra efa nataontsika tsirairay.”

Faly izahay hoe afaka mandray mpitsidika indray any amin’ny Betela maneran-tany. Mino izahay fa an’arivony no mbola ho avy hitsidika, dia efa tsy andrinay ny handray an-dry zareo!​—Salamo 122:1.

Misy sary vitsivitsy mampiseho rahalahy sy anabavy mitsidika Betela sy tranombakoka isan-karazany eo ambany.

 

Arzantina

Belzika

Brezila

Repoblika Dominikanina

Ekoatera

Frantsa

Kazakhstan

Nouvelle-Calédonie

Nizeria

Korea Atsimo

Etazonia: Wallkill, New York

Etazonia: Warwick, New York