1 APRILY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Efa Mivoaka ny JW Stream-Studio
Afaka Mijery ny Fivoriamben’ny Faritra Mivantana Izao ny Mpitory
Namoaka ny JW Stream-Studio ny Vavolombelon’i Jehovah, vao haingana. Tranonkala vaovao hahafahana manatrika mivantana ny fivoriamben’ny faritra miaraka amin’ny mpiandraikitra ny faritra amin’ny alalan’ny video izy io. Fivoriamben’ny faritra 340 no natao maneran-tany tamin’ny alalan’izy io, tamin’ny 6 sy 7 Martsa. Maherin’ny 500 000 no nijery an’ilay fandaharana.
Vao nanomboka kely ilay valanaretina, dia nasain’ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana hamorona tranonkala azo anaovana fivoriamben’ny faritra mivantana ny Sampan-draharaha Mampiely Feo sy Video any amin’ny foibe. Natao mba hahafahan’ny olona an’arivony mijery an’ilay fandaharana mivantana ilay tranonkala.
Nanendry rahalahy sy anabavy maromaro ny Sampan-draharaha Mampiely Feo sy Video mba hanao an’ilay tetikasa. Tsy maintsy namaha olana maromaro ry zareo nandritra an’ilay asa.
Tsy maintsy hatao mora ampiasaina, ohatra, ilay tranonkala, satria rahalahy isan-karazany no hampiasa an’ilay izy ary tsy mitovy ny fahaizan’ireo rahalahy ireo mampiasa ordinatera sy teknolojia. Mila atao mandeha tsara foana koa ilay izy, na dia ambany aza ny tanjaky ny Internet. Niara-niasa tamin’ny Sampan-draharahan’ny Ordinatera any amin’ny foibe koa ny Sampan-draharaha Mampiely Feo sy Video, mba hahafahana mampiasa tambazotra maro kokoa, satria be dia be ny olona miara-mampiasa an’ilay tranonkala amin’ny fotoana iray.
Hoy i Alex Hernandez ao amin’ny Sampan-draharaha Mampiely Feo sy Video: “Mahafinaritra nefa tsy mora koa ny manamboatra programa hiarahan’ny fivoriambe aman-jatony mampiasa amin’ny fotoana iray. Vitsy izahay no mpiara-miasa manamboatra programa, dia sambany koa ny ankamaroanay vao nanao programa azo ifandraisana mivantana.”
Vitanay tamin’ny May 2020 ny ho paozipaozin’ilay programa JW Stream-Studio. Tamin’ny Oktobra 2020, izany hoe dimy volana taorian’izay fotsiny, no nanaovana fanandramana voalohany niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny faritra tany amin’ny tany enina ilay izy. Hita tamin’io andrana io ny olana rehetra sy ny fomba andaminanana an’ilay izy, alohan’ny tena hampiasan’ny rehetra azy. Rahalahy sy anabavy 70 no nanampy mba hikarakara ny lafiny teknika nandritra an’ilay fotoana voalohany nampiasana an’ilay programa eran-tany.
Nilaza ihany i Alex hoe: “Isaky ny nisy olana tamin’ilay izy, dia nijanona kely izahay ary nivavaka momba an’ilay izy. Nahita vahaolana izahay avy eo, dia tena nino hoe nanampy anay i Jehovah.”
Be dia be sahady ny mpiara-manompo nisaotra tamin’ilay izy.
Nilaza ny rahalahy Jairo Espinosa any Kolombia hoe: “Vao mainka nampiray saina ny mpiara-manompo ilay fivoriambe tamin’ny JW Stream-Studio sady lasa akaiky kokoa an-dry zareo izahay. Lasa nifantoka be izahay nandritra ny lahateny satria fantatray hoe mandeha mivantana ilay izy. Tsy tianay hoe misy tsy arakay mantsy. Tena fitahiana be mihitsy iny!”
Nilaza toy izao koa ny anabavy Magaly Reymundo any Etazonia: “Fantatro aloha hoe mitovy ihany ny fampianarana azoko na noraisina feo mialoha aza ireny lahateny ireny, kanefa tena tiako be ilay mahita mivantana olom-pantatro manao lahateny.”
Efa fivoriamben’ny faritra 800 izay no natao tamin’ny JW Stream Studio hatramin’ny nivoahan’ilay programa. Misaotra an’i Jehovah isika nanome azy io, satria tena manampy antsika hatanjaka ara-panahy sy hiray saina ilay izy.—Salamo 133:1.