Hijery ny anatiny

I Dmitriy Dolzhikov no fahazato amin’ny Vavolombelon’i Jehovah migadra any am-ponja amin’izao, satria hoe nandika ny lalàn’i Rosia rehefa nandray anjara tamin’ny zavatra fanaon’ny Kristianina

28 OKTOBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Efa Zato Mahery Izao ny Vavolombelon’i Jehovah Migadra any Rosia sy Crimée

Efa Zato Mahery Izao ny Vavolombelon’i Jehovah Migadra any Rosia sy Crimée

Misy rahalahy 106 sy anabavy 4 izao any am-ponja na voatana am-ponja vonjimaika, any Rosia sy Crimée, hatramin’ny 26 Oktobra 2022. Noho ry zareo manaraka ny finoany no anton’izany. Ny Rahalahy Dmitriy Dolzhikov, 44 taona, no mpanompon’i Jehovah fahazato migadra amin’izao. Nosamborina i Dmitriy tamin’ny 8 Septambra 2022. Voaheloka izy satria hoe nandray anjara tamin’ny asa fanaon’ny fikambanana mampidi-doza. Nanatrika fivoriana kristianina mantsy izy dia niresaka ny finoany tamin’ny olon-kafa. Efa ho 350 ny Vavolombelon’i Jehovah efa nigadra tany am-ponja hatramin’izay nandrarana ny asantsika tany izay, izany hoe hatramin’ny 2017.

Nosamborin’ny polisy i Dmitriy rehefa avy nanao bemidina tany an-tranony tany amin’ny Faritr’i Tcheliabinsk ry zareo. Nalefa tany am-ponja vonjimaika izy avy eo, roa andro taorian’izay. Tany amin’ny Faritr’i Novossibirsk ilay izy, 1 500 kilaometatra miala avy eo an-tranony.

Misy olona 12 hafa miray efitra figadrana amin’i Dmitriy. Tsy mahazo mitsidika an’i Dmitriy i Marina vadiny, fa mba afaka mifandefa taratasy ry zareo.

“Tsy tena nahita tory aho tamin’izy vao voasambotra, dia matetika no tafafoha amin’ny alina”, hoy i Marina. “Nasain’ny namanay teo amin’ny fiangonana hipetraka tany aho, dia tena nanampy sy nampahery be an’ahy izany.”

Nilaza i Marina fa tony sy falifaly foana i Dmitriy. “Tena mikarakara an’azy i Jehovah”, hoy izy.

Marina sy Dmitriy Dolzhikov

Voaheloka ny rahalahy sy anabavintsika satria hoe nandika ny Fehezan-dalàn’ny Federasionan’i Rosia Momba ny Heloka Bevava mifandray amin’ny asa mampidi-doza. Anisan’izany, ohatra, i Anna Safronova, 57 taona. Migadra any am-ponja mandritra ny enin-taona izao izy. Io no sazy ela indrindra nomena ny anabavy any am-ponja.

Mbola fanampin’ny zava-dratsy mahamenatra ataon’i Rosia amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny natao tamin’i Dmitriy. Efa dimy taona izay i Rosia no manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia efa imbetsaka aza ny fikambanana iraisam-pirenena no nanakana azy tsy hanao an’izany intsony. Rehefa namoaka didy handrarana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony any Rosia tamin’ny 2017, dia nilaza hoe hakatony fotsiny ilay fikambanana ara-dalàna, fa ry zareo mbola avelany manohy ny fanaon-dry zareo ao amin’ilay fivavahana. Tsy izany akory anefa no nitranga rehefa nandeha ny fotoana. Misy raharaha ara-pitsarana 308 izao miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah efa ho 700. Trano 1 851 koa izao no efa natao bemidina.

Mivavaka ho an’i Dmitriy sy ny rahalahy sy anabavintsika rehetra enjehina noho ny finoany isika. Fantatsika fa mbola hanome hery an-dry zareo foana i Jehovah mba hahafahan-dry zareo miaritra.​—Matio 24:13.