Hijery ny anatiny

14 NOVAMBRA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Ezaka Manokana Hitoriana Amin’ny Olona Miteny Arabo any Aotrisy sy Alemaina

Ezaka Manokana Hitoriana Amin’ny Olona Miteny Arabo any Aotrisy sy Alemaina

Nisy ezaka manokana natao tany Aotrisy sy Alemaina, tamin’ny 31 Aogositra ka hatramin’ny 26 Oktobra 2019. Rahalahy sy anabavy avy any amin’ny firenena 19 no nandray anjara tamin’izany, mba ho afaka hianatra Baiboly ny olona miteny arabo any amin’ireo firenena roa ireo. Nandany 40724 ora ireo mpitory 1782, nampiseho video in-4483, ary nizara boky ara-baiboly 24769.

Mpitsoa-ponenana iray tapitrisa mahery no tonga tao Aotrisy sy Alemaina, tato anatin’ny taona vitsivitsy, ary avy any amin’ny firenena miteny arabo ny ankamaroany. Maro amin’izy ireo no mbola tsy nandre ny hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly mihitsy. Misy 1108 ny mpitory miasa amin’ny faritany miteny arabo any Aotrisy sy Alemaina. Nanampy azy ireo ny rahalahy sy anabavy avy any Kanada sy Etazonia ary avy any amin’ny firenena samihafa any Eoropa. Nitory tany amin’ny faritra 24 izy ireo, anisan’izany i Berlin, Cologne, Dresde, Francfort, Graz, Hambourg, ary Vienne.

Hoy ny rahalahy iray teo an-toerana: “Tsy noeritreretinay mihitsy hoe hisy vokany be aminay ilay ezaka manokana. Nandrisika be anay ny mpiara-manompo avy any ivelany ary misaotra betsaka an-dry zareo izahay tamin’ny fanampiany anay. Tombontsoa be ho anay ny nandray anjara tamin’iny ezaka manokana iny.”

Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tovolahy avy any amin’ny firenena iray miteny arabo. Nanatona rahalahy iray izy taorian’ilay fivoriana ary nientanentana be nanontany azy hoe: “Hainao ve ny dikan’ny hoe mahabba amin’ny teny alemà?”

Namaly ilay rahalahy hoe: “Liebe (fitiavana)!”

Hoy ilay tovolahy: “Ie, izany mihitsy no tsapako tamin’iny fivoriana iny. Tsara fanahy be tamiko ianareo. Niarahaba ahy daholo ianareo sady nandray ny tanako. Avy amin’ny firenena samihafa ianareo nefa samy mifanaja. Mino aho hoe raha manao hoatr’izao daholo ny olona, dia ho hafa mihitsy ny fiainana.”

Hoy ny lehilahy iray momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mahay mifandray amin’olona ianareo sady anisan’ny olona mahafinaritra indrindra.”

Nanasa rahalahy ho any an-tranony ny mpivady iray avy any amin’ny firenena miteny arabo. Efa herintaona eo ho eo izy mivady no nipetraka tany Alemaina. Rehefa avy nanazava ny antony nahatongavan’izy ireo tany Alemaina ireo rahalahy, dia nanontany ilay vehivavy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianareo?” Rehefa avy nanaiky ilay mpitory dia namaly ilay vehivavy hoe: “Tena tsy mampino! Efa firy volana izay no nitadiavako anareo! Efa tonga hatrany amin’ny gara mihitsy aho nitady anareo nefa tsy nahita. Izao anefa dia ato aminay ianareo! Tena Andriamanitra no nandefa anareo tatỳ aminay.”

Nazoto nandray anjara tamin’iny ezaka manokana iny ny rahalahy sy anabavy ary tena notahin’i Jehovah izy ireo. Niezaka nitory momba ny fampanantenan’ny Baiboly tamin’ny “olona any amin’ny firenena rehetra” mantsy izy ireo.—Matio 28:19.