Hijery ny anatiny

8 JANOARY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Ezaka Manokana Nitoriana Momba Ilay Fanjakana (2020): Nampahery Sady “Tsy ho Hay Hadinoina”

Ezaka Manokana Nitoriana Momba Ilay Fanjakana (2020): Nampahery Sady “Tsy ho Hay Hadinoina”

Tena niavaka ny volana Novambra 2020, ka tsy hohadinoin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy! Lasa tsy maintsy nijanona tao an-trano ny ankamaroantsika noho ilay valanaretina mahafaty antsoina hoe COVID-19. Tsy maintsy najanona kely koa ireo fomba fitory efa nahazatra antsika. Na izany aza, dia vita soa aman-tsara ilay ezaka manokana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany mba hampahafantarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany no niasa mafy nizara an’ilay Tilikambo Fiambenana No. 2 2020 tamin’ny mpandraharaha, manam-pahefana, mpampianatra, namana, havana, ary ny olon-kafa. Lasa nahafanta-javatra izay olona rehetra vonona ny hihaino antsika, tamin’io ezaka manokana io. Tsy izay ihany anefa fa tena faly sady lasa nanana finoana matanjaka indray ny mpitory rehetra nandray anjara tamin’ilay izy.

Ireto misy fitantarana avy amin’ny rahalahy sy anabavy maneran-tany:

AOSTRALAZIA

Ranabavy Lucinda Furkin

Mipetraka any Aostralia ny anabavy atao hoe Lucinda Furkin. Valo ambin’ny folo taona izy, ary vao haingana no vita batisa. Izao no nosoratany: “Na dia narary mafy aza aho teny antenatenan’ilay ezaka manokana, dia tsapako hoe tena nanohana ahy i Jehovah. Hoatran’ny hoe nitantana ahy izy sady nanome hery an’ahy mba hahavitako hiaritra.”

Nohazavain’ny raim-pianakaviana iray any Nouvelle-Zélande hoe inona no soa noraisin’izy mianakavy tamin’ilay ezaka manokana. Hoy izy: “Manan-janaka efatra mirahavavy izahay, dia 7 taona, 9 taona, 11 taona, ary 13 taona ry zareo. Noraisinay hoe fanendrena manokana ho anay avy amin’i Jehovah Raintsika be fitiavana ilay ezaka manokana maneran-tany. Nanampy anay mianakavy mba ho vonona hitory foana izany isan’andro, nandritra an’ilay ezaka manokana.”

BOTSWANA

Manao ny asan’ny faritra i Kagiso sy Lydia Marumo. Nandefasan-dry zareo an’ilay gazety tamin’ny endrika ny havany tsy Vavolombelona. Maromaro no nisaotra an-dry zareo. Dokotera ny iray amin’ny havan’i Kagiso, ary nilaza izy io fa tena tonga tamin’ny fotoana nilany azy mihitsy ilay gazety. Nanazava izy hoe nametraka fanontaniana momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly ny marary sasany tonga tao aminy. Nitantara koa izy hoe na ny zanany aza efa nampiasa herin’ny maizina. Nantsoin-dry Marumo mivady io havany io, ary nanomboka nianatra Baiboly ry zareo, iny hariva iny ihany. Indroa isan-kerinandro izao ry zareo no mianatra.

Rahalahy Kagiso Marumo sy Lydia vadiny

KANADA

Ranabavy Soroya Thompson

Izao no nosoratan’i Soroya Thompson, anabavy mpisava lalana any Ontario: “Nanampy ahy hifantoka kokoa amin’izay tena zava-dehibe ilay ezaka manokana, sady hitadidy hoe inona avy ny asa mbola tokony hatao. Nampahatsiahy ahy koa ilay izy hoe be fitiavana i Jehovah ka tena tsy tiany hisy ho ringana ny olona. Rehefa nisaintsaina an’izany aho, dia vao mainka te hitory bebe kokoa nandritra an’ilay ezaka manokana.”

Hoy ny anabavy iray any Kolombia Britanika: “Tena sarotra ny fiainana amin’izao, dia nanapa-kevitra ny hanao mpisava lalana mpanampy aho, amin’izay tsy kivy be intsony. Tena nanampy an’ahy sy ny fianakaviako tsy hifantoka amin’ny zavatra mahakivy ilay izy.”

Nilaza ny sampan’i Kanada fa nanampy ny fianakaviana hifankatia kokoa iny ezaka manokana iny. Nahatonga ny ankizy hahatsapa koa ilay izy hoe tena ilaina amin’ny fanompoana ry zareo. Afaka nitory an-taratasy mantsy ry zareo, dia ry zareo ihany no nanoratra an’ilay izy, na nanampy ny fianakaviany hanisy adiresy sy hajia teo amin’ny valopy, na hikaroka adiresin’olona.

FAILANDY

Manao ny asan’ny faritra ny Rahalahy sy Ranabavy Tuomisto. Hoy izy ireo: “Rehefa volana Novambra no tena maizina indrindra ny andro atỳ amin’ny faritra avaratra, dia tena faly ny rahalahy sy anabavy, indrindra fa ny mpisava lalana, hoe soa fa nisy an’iny ezaka manokana iny. Nanampy an-dry zareo tsy ho kivy mantsy ilay izy, na dia maizina be foana aza manomboka maraina mandra-pahalin’ny andro.”

Rahalahy Timo Tuomisto sy Eeva vadiny

Nandefa gazety tany amin’ny olona fantany ny mpivady iray, dia nisaotra an-dry zareo ilay olona. Izao no nosoratany: “[Namaky ny bokin’i] Jakoba aho, androany. Resahina ao hoe maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao. Niezaka nihaona mivantana tamin’ny olona foana ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay mba hanazavana ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Manao zavatra hanatanjahana finoana ry zareo.”

GRESY

Izao no nolazain’ny sampan’i Gresy: “Vokatr’ilay valanaretina, dia be dia be no kivy sy leo be satria mihiboka sady tsy maintsy nanaraka fepetra be dia be. Tena ilay ezaka manokana mihitsy àry no nilain-dry zareo mba hampahery azy. Betsaka no niteny hoe fiovana nahafinaritra iny ezaka manokana, amin’izao fotoan-tsarotra izao.”

Ranabavy Suzie Kontargiri

Tsy salama ny Ranabavy Suzie Kontargiri sady tsy Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Nanapa-kevitra ny hanao mpisava lalana mpanampy anefa izy. Hoy izy: “Tsy kivy be intsony aho rehefa nanao an’ilay ezaka manokana. Falifaly foana aho rehefa nifoha isa-maraina, dia lasa aho nanao raharaha, nahandro sakafo, nikarakara ny vadiko, ary avy eo nanompo. Ilay vadiko aza lasa nanontany an’ahy foana hoe: ‘F’angaha ianao tsy hanompo androany?’ Hitany hoe falifaly foana mantsy aho rehefa miara-manompo amin’olona.”

JAPON

Nitory an-taratasy tamin’ny manam-pahefana ny Ranabavy Tamaki Hirota. Hoy izy momba izany: “I Jehovah no nitory an-taratasy voalohany, satria nanoratra taratasy 66 ho an’ny olombelona izy. Efa naverimberin’ny olona novakina im-be dia be ireo taratasy ireo hatramin’izay ka hatramin’izao satria te hifandray akaiky aminy izy ireo. Fantatr’i Jehovah hoe tena mandaitra io fomba fitory anankiray io. Tena tsy ho hay hadinoina mihitsy iny ezaka manokana iny!”

Ranabavy Tamaki Hirota

SRI LANKA

Nandefa taratasy tamin’ny adiresy mitovy ny Ranabavy Meharaja Vijaya sy Imayanathan Amutha. Tsy fanahy iniana ilay izy fa nisy fahadisoana kely fotsiny. Rehefa naharay an’ilay taratasy voalohany ilay olona, dia tonga dia nariany ilay izy fa tsy mba nosokafany akory. Rehefa hitany anefa ilay taratasy faharoa dia nieritreritra izy hoe mety ho tena zava-dehibe angamba ny zavatra resahina ao amin’ilay taratasy matoa ilay izy nalefa indroa mihitsy. Novakiny ilay gazety, dia niantso an’ilay anabavy nandefa an’ilay taratasy faharoa izy, ary nanaiky hianatra Baiboly.

Avy eo ankavia mankany ankavanana: Ranabavy Meharaja Vijaya sy Imayanathan Amutha

Niantso tany amin’ny sampan’i Sri Lanka ny manam-pahefana iray tany an-toerana rehefa naharay an’ilay gazety. Nilaza izy fa mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy hatramin’izay, na dia hoe mba Kristianina ihany aza. Niresaka zavatra tsara be dia be momba ny gazetintsika sy ny tranonkalantsika izy sady hoy izy hoe: “Ahoana kay no hataoko raha te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho?” Tonga izy dia nitadiavana mpitory hitsidika azy haingana.

ETAZONIA

Mbola mpianatra ny mpitory anankiray 13 taona. Malaza be ny resaka politika any am-pianaran-dry zareo. Hoy izy rehefa niresaka ny soa noraisiny tamin’ilay ezaka manokana tamin’ny Novambra: “Lasa natoky tena kokoa aho, dia vitako ny nanazava tamin’ny mpampianatra anay hoe fa maninona aho no tsy miditra amin’ny resaka politika. Vao mainka nanatanjaka ny finoako izany.”

Ranabavy Margit Haring

Hoatr’izany koa no tsapan’ny Ranabavy Margit Haring. Izao no nosoratany: “Nanampy an’ahy ho be herim-po sy hazoto hitory ilay ezaka manokana. Natahotra be aho tamin’ny voalohany vao nieritreritra hoe hiresaka amin’ny manam-pahefana sy ny mpandraharaha. Tena hanampy an’ahy amin’ny hoavy ilay hoe nianatra nanazava ny zavatra inoako, sady tsara fanahy rehefa nanao an’ilay izy.”

Hoy ny anti-panahy iray: “Tena nanohina ny foko ny nahita mpitory be dia be nanao mpisava lalana, nefa ry zareo marary mafy. Azon-dry zareo natao tsara ny nieritreritra hoe tsy hanana hery hanaovana mpisava lalana izany mihitsy. Tapa-kevitra ny handray anjara tamin’ilay ezaka manokana anefa ry zareo. Latsaka foana ny ranomason’ny olona rehefa nahita an-dry zareo faly sady nankasitraka an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo.”

Mbola be dia be ny fitantarana sy ny zavatra noresahin’ny mpiara-manompo maneran-tany, momba an’iny ezaka manokana iny, saingy tsy ho voaresaka eto daholo izany. Tena faly anefa isika satria afaka nampahafantatra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny olona an-tapitrisany.—Jaona 15:11.