Hijery ny anatiny

Miara-mankalaza ny Fahatsiarovana ry Oh mianakavy. Ao an-trano izy mirahavavy sy ny dadany (havia) ary mitsabo tena any amin’ny hopitaly ny reniny (havanana). Manao vidéoconférence izy efa-mianaka

22 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fahatsiarovana 2020: Azia

Afaka Nanatrika Fahatsiarovana ny Rahalahy sy Anabavy Osa any Japon sy Korea Atsimo na Misy Olana Aza

Fahatsiarovana 2020: Azia

Sarotra amin’ny rahalahy sy anabavy any amin’ny hopitaly sy any amin’ny trano fitaizana be antitra ny mankalaza ny Fahatsiarovana, noho ny fiparitahan’ny COVID-19. Tsy afaka miala ao amin’ny misy azy ny ankamaroan’izy ireo sady tsy azo tsidihina. Afaka nankalaza an’io fotoan-dehibe fanao isan-taona io ihany anefa ireny rahalahy sy anabavy ireny, noho ny fanampian’ny anti-panahy.

Korea Atsimo

Mipetraka ao amin’ny trano fitaizana be antitra any Naju ny Ranabavy Lee Jeom-soon sy ny Ranabavy Kwon Ae-soon, izay 91 taona sy 88 taona. Tapa-kevitra ny hankalaza ny Fahatsiarovana izy ireo, ary toy izany koa ny vehivavy iray liana, 96 taona. Vavolombelon’i Jehovah ny dokotera iray ao amin’io trano fitaizana be antitra io. Rehefa avy nankalaza ny Fahatsiarovana tany an-tranony niaraka tamin’ny fiangonana misy azy àry izy, dia nankany amin’ilay trano fitaizana be antitra. Nandefa an’ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana avy ao amin’ny jw.org izy avy eo, mba harahin’izy telo vavy. Nitondra mofo sy divay koa izy.

Miasa ao amin’ny trano fitaizana be antitra any Uijeongbu ny Rahalahy Choi Jae-cheol. Rahalahy sy anabavy be taona 14 no mipetraka ao. Nandefa video misy ny lahatenin’ny Fahatsiarovana io rahalahintsika io ka afaka nankalaza ny Fahatsiarovana izy ireo, niaraka tamin’ny olon-kafa liana, na dia teo aza ny fiparitahan’ny aretina. Lasa nianatra Baiboly ny sasany amin’ireo olona liana ireo.

Mipetraka any Cheonan ny Ranabavy Kim Tae-sun, 59 taona. Efa dimy taona izay no nahalalana hoe voan’ny kansera izy. Vao haingana izy no nampidirina hopitaly satria nanaintaina be. Iray efitra aminy ao amin’ny hopitaly ny anabavy iray atao hoe Kim Jeong-mi, 69 taona. Voan’ny kansera koa io anabavy io. Tsy afaka mivoaka ny hopitaly izy roa vavy noho ny fiparitahan’ny aretina. Nampian’ny anti-panahy anefa izy ireo ka afaka nankalaza ny Fahatsiarovana niaraka tamin’ny fiangonana, tamin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Nandefa taratasy fisaorana ho an’ny anti-panahy ireo anabavy roa ireo. Hoy izy ireo tao amin’ilay taratasy: “Misaotra betsaka nanampy anay hanatrika Fahatsiarovana sy hiaraka amin’ny mpiara-manompo na dia eo aza ny COVID-19 sy ny tsy fahasalamanay.”

Japon

Niditra hopitaly ny Ranabavy Mieko Fujiwara, 70 taona, mipetraka any Mie, any Japon. Tsy afaka manao vidéoconférence miaraka amin’ny fiangonany izy mandritra ny Fahatsiarovana satria tsy misy Internet ao amin’ilay hopitaly. Nanampy azy anefa ny anti-panahy iray sy ny vadiny mba hahazoany video mialoha. Nampidiran’izy mivady video misy ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ny fitaovana elektronikan’ilay anabavy. Afaka nankalaza Fahatsiarovana tao amin’ny hopitaly àry izy.

Mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra, any Zama, any amin’ny faritr’i Kanagawa, ny anabavy iray 102 taona atao hoe Yuki Takeuchi. Nandefasan’ny zanany vavy sy ny vinantolahiny mofo sy divay izy, talohan’ny Fahatsiarovana. Afaka nankalaza ny Fahatsiarovana niaraka tamin’izy mivady tamin’ny alalan’ny telefaonina àry ny Ranabavy Takeuchi.

Hoy ny Rahalahy Mimura, ilay vinantolahiny: “Natao batisa tamin’ny 1954 ny rafozako. Nanatrika Fahatsiarovana foana izy hatramin’izay. Faly be izy hoe afaka nanatrika ihany tamin’ity taona ity, na dia tsy nahazatra aza ny fomba nanaovana azy.”

Azo antoka fa voamarik’i Jehovah ny ezaka ataon’ireny rahalahy sy anabavy efa osa ireny mba hankalazana ny Fahatsiarovana, sy ny fanampian’ny anti-panahy azy ireo.—Hebreo 6:10.