Hijery ny anatiny

Rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, manao lahatenin’ny Fahatsiarovana: (havia) Rahalahy Anthony Morris manao lahateny ho an’ny fianakavian’ny Betela; (ambony havanana) Rahalahy Geoffrey Jackson sy (ambany havanana) Rahalahy Mark Sanderson manao lahateny ho an’ny fiangonana amin’ny alalan’ny vidéoconférence, avy any an-tranony

10 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fahatsiarovana 2020: Betelan’i Etazonia

Fahatsiarovana 2020: Betelan’i Etazonia

Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, tamin’ny 7 Aprily 2020, izany hoe nandritra ny fiparitahan’ny aretina coronavirus. Marina ilay tenin’ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe: “Na misy areti-mandringana hoatran’ny inona aza eran-tany, dia tsy hihena mihitsy ny fankasitrahantsika an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika. Tapa-kevitra foana koa isika hoe hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy.” Nanao ahoana ny tamin’ity taona ity?

Hotantaraina amin’ny andian-dahatsoratra ato amin’ny Vaovao hoe inona no nataon’ny mpiara-manompo maneran-tany mba hanaovana ny Fahatsiarovana ao anatin’izao fiparitahan’ny coronavirus izao, ary ity lahatsoratra ity no voalohany amin’izany. Ho hitantsika ato hoe ahoana no natao tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny biraon’ny sampan’i Etazonia.

Nanapa-kevitra ny Filan-kevi-pitantanana hoe hasiana fandaharana azon’ny mpianakavin’ny Betela rehetra arahina, satria raran’ny fanjakana ny famoriam-bahoaka. Tany Warwick no natao ilay lahateny ary ny Rahalahy Anthony Morris no nanao azy. Afaka nijery an’ilay izy avy tany amin’ny efitranony avy ny mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia rehetra. Vitsy ihany no mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana, nefa tsara fanahy ny Biraon’ny Betela ka nanome mofo sy divay ho an’ny rehetra.

Mofo sy divay ho an’ny fianakavian’ny Betela

Afaka manao vidéoconférence miaraka amin’ny fiangonana misy azy koa ny Betelita, raha tiany. Nomena safidy koa ny anti-panahy Betelita hoe afaka manao lahatenin’ny Fahatsiarovana amin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Manatrika Fahatsiarovana ao an-tranony ny mpivady iray ao amin’ny Betelan’i Wallkill

Betsaka ny Betelita nilaza hoe anisan’ny Fahatsiarovana niavaka indrindra teo amin’ny fiainany iny. Marina fa tsy afaka nifankahita mivantana tamin’ny mpiara-mivavaka aminy izy ireo, nefa nahatsapa hoe tafaray amin’ny rahalahy sy anabavy maneran-tany. Samy miara-mahatsiaro ny fitiavana lehibe indrindra naseho taminy mantsy izy ireo, dia ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitsika sy ny an’i Jesosy Kristy Zanany malalany.—Jaona 3:16; Matio 20:28.