Hijery ny anatiny

21 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fahatsiarovana 2020: JW.ORG

Mbola Tsy Nisy Hoatr’izany ny Olona Nitsidika ny Tranonkalantsika

Fahatsiarovana 2020: JW.ORG

Nanao ezaka manokana hitoriana bebe kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana raha mbola nihanaka eran-tany ny coronavirus. Be dia be àry ny olona nitsidika ny jw.org mba hahazoana fampaherezana, fanazavana avy ao amin’ny Baiboly, ary vaovao farany. Betsaka lavitra ny isan’ny olona nitsidika ny tranonkalantsika tamin’ny volana Martsa, raha oharina amin’ny isan’ny olona nitsidika tamin’ny Febroary. Mbola tsy betsaka hoatran’ny tamin’ny Martsa ny isan’ny olona nangataka hampianarina Baiboly.

Nitombo tsikelikely ny isan’ny olona nitsidika ny jw.org rehefa nanomboka niparitaka ilay aretina. Roa tapitrisa teo ho eo isan’andro no nitsidika an’io tranonkala io tamin’ny Febroary ary efa mahazatra izany. Niakatra telo tapitrisa mahery anefa izany tamin’ny volana Martsa, ary nihoatra ny efatra tapitrisa sy sasany izany rehefa misy vaovao manokana momba ny coronavirus. Maherin’ny fito tapitrisa ny isan’ny olona nitsidika ny tranonkalantsika tamin’ny 7 Aprily 2020, andron’ny Fahatsiarovana. Nijery ny fotoam-pivavahana maraina manokana na nijery ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ny ankamaroany.

Mpitsidika: Miakatra be ny isan’ny olona mitsidika ny jw.org mandritra ny fiparitahan’ny aretina ary nahatratra fito tapitrisa mahery izany tamin’ny andron’ny Fahatsiarovana

Hoy ny Rahalahy Clive Martin, ao amin’ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny MEPS, any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, New York: “Mankao amin’ny jw.org ny olona mba hijery ny fotoana sy ny toerana hanaovana ny Fahatsiarovana. Be dia be ny olona liana tsy ho afaka hiaraka amin’ny fiangonana amin’ity taona ity, dia nasiana lahateny manokana sy lahatenin’ny Fahatsiarovana amin’ny fiteny 500 mahery ao amin’ilay tranonkala. Olona an-tapitrisany no naka na nijery an’ireo fandaharana ireo. Betsaka tokoa ny olona mitsidika an’io tranonkala io amin’izao fiparitahan’ny aretina eran-tany izao. Hita amin’izany hoe tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mila ny jw.org mba hampaherezana azy ireo sy handraisana toromarika avy ao amin’ny Baiboly, fa ny olon-kafa koa.”

Olona maka video: Isan’ny olona naka ny lahateny manokana (volondaoranjy) sy ny lahatenin’ny Fahatsiarovana (manga)

Tsy mahagaga raha betsaka amin’ireo olona mitsidika an’io tranonkala io no mitady fanazavana momba ny fahasalamana sy ny fisorohana aretina, anisan’izany ny momba ny adin-tsaina sy ny fanahiana. Betsaka koa no mikarokaroka ao mba hahitana fanazavana ara-baiboly momba ny famantarana ny andro farany sy momba an’ireo soavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-6.

Mahavariana koa ny isan’ny olona mandefa fangatahana hianatra Baiboly ao amin’ny jw.org isan’andro. Eo ho eo amin’ny 250 isan’andro eo izany, raha ny mahazatra. Niakatra koa anefa izany tato ho ato. Olona 350 eo ho eo isan’andro no nangataka hianatra Baiboly nandritra ny volana Martsa, izany hoe efa ho 11 000 tamin’io volana io. Mihoatra ny 1 000 koa ny isan’ny olona nangataka hianatra Baiboly, tamin’ny andron’ny Fahatsiarovana sy ny ampitson’iny.

Nilaza i Jesosy hoe sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. (Matio 5:3) Faly isika satria be dia be no mitady fampiononana sy fanampiana amin’i Jehovah sy ny fandaminany amin’izao fotoan-tsarotra izao.—2 Korintianina 1:3, 4.